Flash
Préc Suiv

Avy amin’ny tohan’ny Rotary Ainga: olona mararin’ny vanin-taolana 12, hodidina maimaimpoana

Avy amin’ny tohan’ny Rotary Ainga: olona mararin’ny vanin-taolana 12, hodidina maimaimpoana

Manodidina ny 200 isan-taona ny olona manana olana amin’ny vanin-taolana eo amin’ny maoja na ny lohalika, ao amin’ny HJRA. Tsy afaka mandeha intsony ny ankamaroan’izy ireo, noho izany, ka mila fandidiana. 40 amin’ny marary 200 ihany nefa no vita isan-taona ka ny 30 amin’ireo, miantoka ny fividianana ny « prothèse » sy ny fanafody ary ny kojakoja ilaina amin’ny fandidiana. “3 000 dolara ny vidin’ny « prothèse » ka tsy zakan’ny fahefa-mividin’ny rehetra”, hoy ny tale jeneralin’ny tobim-pahasalamana sy ny hopitaly eto Madagasikara, ny profesora Razafimahandry Jean Claude Henri, omaly teny amin’ny HJRA. Ny 10 ambiny, azo nodidina maimaimpoana noho ny tohana entin’ny mpiray ombon’antoka. Mpanohana iray, nahazoana nanatanteraka fandidiana olona 12, ny Rotary club Antananarivo Ainga miaraka amin’ny ekipan’ny profesora Fréderic Dubrana avy amin’ny CHU Brest any Frantsa izay ho avy eto Madagasikara amin’ny faran’ny herinandro miaraka amin’ny fitaovana sy ny mpiara-miasa aminy. « Herintaona ny nanomanana ny herinandron’ny fandidiana ny vanin-taolana eo amin’ny maoja sy ny lohalika ka nifantina ny marary hisitraka ny fandidiana ny sampam-pitsaboana mikarakara izany ao amin’ny HJRA », hoy ny filohan’ny Rotary Ainga, Rakotoarisoa Ny Aina.

Mety ho tsy fahatomombanana avy any am-bohoka, na koa noho ny fahasimban’ny vanin-taona, no mitarika ny aretina. Rehefa vita ny fandidiana, afaka mandeha toy ny taloha indray ilay marary. Tanjon’ny minisiteran’ny Fahasalamana ny hanao fandidiana, toy izao, indroa isam-bolana amin’ny sarany zakan’ny vahoaka satria hampita traikefa koa ireo mpitsabo vahiny hiara-kandidy amin’ny dokotera malagasy, mandritra ny herinandro ao amin’ny HJRA.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.