Flash
Préc Suiv

Vavantenina: olona iray nahatrarana basy sy bala 36

Olona iray nahatrarana basy PA iray vita gasy miaraka amin’ny bala miisa 36 tao Ambatoharanana, distrikan’i Vavatenina, ny alahady lasa teo. Tsy fantatra mazava izay zava-nitranga fa voakitik’ilay lehilahy avy hatrany ilay basy ka nipoaka. olona iray naratra vokatr’izany. Tonga haingana teny an-toerana avy hatrany ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Vavatenina ka voasambotra tamin’izany ilay tompon’ny basy. Notazonina avy hatrany anaovana famotorana ao amin’ny biraon’ny zandary izy.

Fa azon’ny zandary tao Ambohipihaonantsoa, distrikan’Ambohimahasoa ny basy Mas 36 iray efa notapahina. Tratra niaraka tamin’ilay basy koa ny bala roa. Araka ny fanazavana voaray, tonga nampilaza teny amin’ny zandary ny ben’ny Tanàna ny kaominina ambanivohitra Camp-Robin sy ny Dina nilaza fa azon’izy ireo ny basin’ilay dahalo raindahiny antsoina hoe Lemaro. Mitohy ny fikarohana ataon’ny zandary.

J.C

Les commentaires sont fermées.