Flash
Préc Suiv

Unicef: I Michel Saint-Lot, solontena vaovao

Noraisin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana, izay sady minisitry ny Fiarovam-pirenena, Rasolofonirina Béni Xavier, omaly teny Anosy, ny solontena vaovao ny Unicef, i Michel Saint-Lot, hiasa eto Madagasikara mandritra ny efa-taona manaraka. Efa nitana andraikitra ambony nandritra ny 20 taona tany Haïti sy teo anivon’ny Unicef iraisam-pirenena ny tenany. Niasa tao anatin’ny sehatra tsy miankina koa ity solontena vaovao ny Unicef ity. Niandraikitra ny sampandraharahan’ny Unicef tany Serbie izy nialoha ny nahatongavany eto amintsika.

Tao anatin’ny dimy taona farany, niompana amin’ny fikarakarana ny ankizy ny asa niandraiketan’ny Unicef teto Madagasikara, indrindra amin’ny faritra sivy tena marefo toy ny any atsimo.

Vonjy A.   

Les commentaires sont fermées.