Flash
Préc Suiv

Taratasy fanaovana kara-panondro: 1 tapitrisa ny haparitaka manerana ny Nosy

Taratasy fanaovana kara-panondro: 1 tapitrisa ny haparitaka manerana ny Nosy

 Nitondra fanazavana, omaly, ny tompon’andraikitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana fa manodidina ny 1 tapitrisa ny taratasy fanamboarana kara-panondro haparitakla manerana ny Nosy. Miohatra noho ny filana isan-taona izany satria manodidina ny 7 hetsy ny mpanao kara-panondro isan-taona.

Nampahatsiahy ny tompon’andraikitra fa 200 Ar ihany ny vola aloa amin’ny fanaovana kara-panondro eny amin’ny boriborintany. Ny lehiben’ny distrika sy ny prefet ihany no manao sonia ny kara-panondro. Miandraikitra ny fikirakirana ny antontan-taratasy ihany ny anjaran’ny lehiben’ny boriborintany.

Nisy ny fanavaozana nentina tamin’ireo taratasy manokana hanaovana kara-panondro ireo. Nohavaozina ny marika miafina hisorohana ny kara-panondro sandoka. Anisan’izany ny kisary anaty izay misy “filigrane losange”. Eo koa ny “fibre” miloko tazana rehefa tarafina amin’ny “ultra violet”. Ankoatra ireo ny fitombokasen’ny Repoblikan’i Madagasikara.

Tsiahivina fa efa am-bolana maro, tsy nisy taratasy manokana fanaovana kara-panondro navoakan’ny Imprimerie nationale. Efa betsaka ireo tanora tonga taona anefa tsy afaka nanana izany kara-panondro izany ka niteraka fahasahiranana tamin’ny fikarakarana taratasim-panjakana. Teo koa ny olona te hindram-bola amin’ny banky izay sahirana satria efa lany andro ny kara-panondro, na very na efa potika tanteraka ka tsy afaka manolo izany.

Amin’ny toerana sasany, mbola miandry 15 andro vao vita ny fanamboarana kara-panondro vaovao na ny fanavaozana.

Tatiana A

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique