Flash
Préc Suiv

Nailiky ny HCC ny 10: 36 sisa ireo kandida ofisialy

Nailiky ny HCC ny 10: 36 sisa ireo kandida ofisialy

 

 Tsy niandry ela.  Navoakan’ny HCC, omaly, avy hatrany taorian’ny fandinihan’izy ireo ny antontan-taratasy ny lisitra ofisialin’ireo kandidà afaka hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena. 36 izy ireo raha tsy nahafeno ny fepetra kosa ireo kandidà 10.

Anisan’ny nahafeno ny fepetra ireo kandidà anisan’ny lehibe amin’izao fifidianana izao. Eo ny kandidà Ravalomanana, avy amin’ny Tim, sy Rajoelina, atolotry ny TGV ary ny HVM,  Rajaonarimampianina. Tafiditra koa ireo Praiminisitra telo mirahalahy: i Beriziky Omer, avy amin’ny Antsika i Madagasikara, sy Ravelonarivo Jean, natolotry ny Aba ary i Mahafaly Solonandrasana, kandidàn’ny OM. Tahaka izany koa ireo minisitra teo aloha  maromaro sy ny lehiben’ny andriampanjakana. Eo, ohatra, ny kandidàn’ny Leader Fanilo, Rakotomamonjy Jean-Max. Ratsiraka Iarovana Roland, avy amin’ny MTS; Rabary Paul, kandidàn’ny Miasa.

Dimy ireo kandidà vehivavy 

Mbola kandidà Randriamampionona Josehp Martin “Dadafara” avy amin’ny RTM. Ny avy amin’ny Mafi, i Jules Etienne. I Tabera Randriamanantsoa, natolotry ny Kintana, sy Radavidson Andriamparany, kandidàn’ny FFF. Anisan’ny kandidà ny tale jeneraly teo aloha ny tahirim-bolam-panjakana, Robimanana Orlando, avy amin’ny MVF. Ankoatra azy ireo, dimy ny kandidà vehivavy. Eo ny avy amin’ny PSD, i Bezaza Eliana, ny kandidàn’ny PLD, Rabeharisoa Saraha; Rasolovoahangy Emma, avy amin’ny Ema ary Ramaroson Arlette.

Mpahay toekarena, mpitondra fivavahana, mpanakanto

Etsy andaniny, ahitana mpahay toekarena sy mpitondra fivavahana ary mpanakanto ireo lisitra ofisialy nivoaka.  Natolotry ny GFFM ny pasitera Mailhol; kandidàn’ny Faima Rabarihoela Bruno, i Dama (Mahaleo), i Imbeh Serge, avy amin’ny Afima; Rajaonary Erick  “Guanomad”, ny kandidàn’ny FMI-Ma, Ratsietison Jean-Jacques. Eo koa Rafalimanana Ny Rado, avy amin’ny Fomba. Ahitana mpisolovava ny mpilatsaka. Ohatra, Radilofe Mamy Richard; kandidàn’ny RDS sy ny mpitsara, i Ernaivo Fanirisoa avy amin’ny Zama. Samy olon’ny amiraly Ratsiraka novolavolainy ary ho mpirotsaka hofidina koa Andrianoelison José na i “José” kely, kandidàn’ny Aro riaka, sy ny avy amin’ny Avotra ho an’ny  firenena, Rasolofonjoa Haingo.

Kandidà zokiny indrindra i “Deba”

Manampy izany ireo kandidà zokiny indrindra. Ny amiraly Ratsiraka Didier, 82 taona, natolotry ny Arema, sy Randriamorasata Solo Norbert, 80 taona, kandidàn’ny Udecma/KMTP.

Tsy fantatra firy kosa ny kandidàn’ny Sjiam, Rakotofiringa Richard; Andriantseheno Marcellin, avy amin’ny Tafa jiaby; i Narison Stéphan, natolotry ny AGMM; Rasolonjatovo Falimampionona, avy amin’ny IAD Fitambolagnela; i Zafivao Jean-Louis, kandidàn’ny GasyMi.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.