Flash
Préc Suiv

Nifarana ny fametrahana antontan-taratasy: mbola hisy hahintsan’ny HCC amin’ireo kandidà 46

Nifarana ny fametrahana antontan-taratasy: mbola hisy hahintsan’ny HCC amin’ireo kandidà 46

Haka fanapahan-kevitra ny HCC.  Tafakatra 46 ireo kandidà hirotsaka  hofidina  filoham-pirenena, taorian’ny fe-potoana farany fametrahana ny anton-taratasy tetsy Ambohidahy,  omaly.

Manana dimy andro ireo mpitsara avo handinihana ny mombamomba ireo kandidà ka  ahafantarana na afaka milatsaka na tsia, izy ireo.

Aorian’izany, havoakan’ny HCC, ny alahady 26 aogositra izao ny lisitra farany ho an’ireo kandidà mahafeno ny  fepetra afahana mirotsaka. Anisan’ny mason-tsivana hijerena azy ireo ny fandoavan-ketra, ny anto-bola  50  tapitrisa Ar…

Tsy mbola fantatra ny ho laharan’ny kandidà anaty biletà tokana…

Etsy andaniny,  tsy mbola  fantatra ny ho laharan’ireo  kandidà aorian’ny fivoahan’ny lisitra ofisialy. Mbola hisy  ny fanendrena ny solontenan’ireo mpilatsaka hofidina ho mpikambana eo  anivon’ny Ceni. Hirosoana  avy eo ny an-tsapaka amin’ny ho laharan’ny kandidà hisoratra ao amin’ny bileta  tokana sy amin’ny  tabilao, hisy ny peta-drindrina ahitana ny sarin’ny  kandidà  sy ny mety ho vinany.

Ho raikitra kosa ny  fampielezan-kevitra, ny 8 oktobra ho avy izao ary  hifarana ny 6 novambra.

Hametra-pialana ny filoha Rajaonarimampianina

Ankoatra ireo, tsy  maintsy hametra-pialana, ny  7  septambra izao, araka ny voalazan’ny lalàna ny filoha Rajaonarimampianina amin’ny maha kandidà ny tenany. Hisolo  toerana azy vonjimaika  kosa ny  filohan’ny Antenimierandoholona, Rakotovao  Rivo. Tahaka izany koa  ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Rakotomamonjy Jean-Max. Miala amin’izany toerany  izany   eny Tsimbazaza ary soloin’ny  filoha lefitra eny anivon’ity andrimpanjakana  ity, aorian’ny fanambaran’ny eny Ambohidahy fa kandidà ofisialy  ny  tenany.

Araka  izany,  miandry ny lisitra ofisialy havoakan’ny  HCC izany  ireo kandidà sy ny mpanohana azy ary koa ny ho lalaharan’ny mpirotsaka hofidina anaty bileta tokana.

Synèse  R.

Les commentaires sont fermées.