Flash
Préc Suiv

Fitoniana amin’ny fifidianana: hampanao sata ho an’ireo kandidà ny CFM

Fitoniana amin’ny fifidianana: hampanao sata ho an’ireo kandidà ny CFM

« Namolavola  sata iray izahay, niaraka amin’ireo sampandraharaham-panjakana na rafi-panjakana samihafa toy ny Bianco, ny Samifin, ny Ceni ary ireo firaisamonina sivily” , hoy ny filohan’ny CFM) i Maka Alphonse.  Nandray ny ambasadoro sinoa eto amintsika teny  Ampefiloha ny  tenany, omaly.

Mba hifampizarana amin’ireo kandidà ho filohan’ny Repoblika izany sata izany, ary hiarahan’izy ireo manasonia. Ho ao anatina firahalahiana sy ny fihavanana no izorana amin’ny fifidianana, ary haneken’ny rehetra ny vokatry ny fifidianana eo.

« Tanjona ny hizoran’ny fifidianana amim-pirahalahiana,  tsy hiteraka gidragidra indray », hoy izy.  Hampahafantarina ny vahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka izany sata izany. Rehefa mivoaka ny lisitry ny kandidà ofisialy, hanatona azy ireo ny CFM: hifampiresaka sy hifampizara traikefa ny amin’izany.

Mazava ny asan’ny CFM : mametraka tontolo politika milamina mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. Eo  koa ny fisorohana ny hisian’ny korontana. Antony nahatonga azy ireo midina ifotony  izany.

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.