Flash
Préc Suiv

Fifidianana: kandidà koa ny amiraly Ratsiraka

Fifidianana: kandidà koa ny amiraly Ratsiraka

Mbola eo hatrany. Anisan’ny ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny amiraly Ratsiraka Didier Ignace. Tonga nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiny teny amin’ny HCC Ambohidahy, omaly, ny zanany mirahavavy, i Yanick sy Ratsiraka Sophie ary ireo avy amin’ny birao politikan’ny Arema. Anisan’ny kandidà zokiny indrindra i “Deba”.  Mananika ny faha-82 taony izy izao mbola hirotsaka hofidina izao. Efa nitondra ny firenena nanomboka ny taona 1975-1993. Avy eo mbola voafidy ho filoham-pirenena indray koa ny  taona 1997-2002. Nialoha izany, efa nitondra  ny Tetezamita na ny  fitondrana miaramila  ny taona 1975. Izany hoe efa nitondra nandritra ny 25 taona mahery ny firenena ny amiraly Ratsiraka.

Na izany  aza, anisan’ny novoiziny tamin’ireo fanehoan-keviny tato anatin’ny taona vitsy ny tokony hirosoana amin’ny fampihavanam-pirenena aloha fa tsy tokony hirosoana izany fifidianana filoham-pirenena izany. Nirotsaka ihany anefa ny tenany amin’izao fotoana izao. Andrasana ny fanazavany momba izany sy ny mety ho vina na fandaharanasa hoentiny amin’izao fikasany hiverina indray eo amin’ny fitondrana izao. Anisan’ireo hotsarain’ny  vahoaka amin’izao fifidianana izao izany i “Deba”…

Synèse R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique