Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Niampy efatra ireo mpilatsaka an-tsitrapo japoney hiasa ao amin’ny faritra Vakinankaratra. Anisan’izany i Akaho Saori, tovovavy hitondra fampandrosoana amin’ny tontolon’ny eny ambanivohitra ka hiasa ao amin’ny foibem-paritry ny fambolena sy fiompiana. Tovolahy hiasa amin’ny sehatry ny fanabeazana kosa i Takemaru Yuya. Hiasa amin’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana i Koike Hosana ao amin’ny distrikan’Ambatolampy. I Fuji Wakako, vehivavy hiasa ao anatin’ny fanabeazana ao amin’ny Cisco Ambatolampy.

Zava-dehibe amin’ny faritra Vakinankaratra ny fisian’ny mpilatsaka an-tsitrapo tahaka ireto vao tonga ireto. Manampy amin’ny fanatrarana ny vinam-pampandrosoana izy ireo no mitondra fisokafana vaovao ihany koa satria mitondra kolontsaina vaovao. Amin’ny taona 2020 no hifarana ny fanatanterahan’izy ireo ny asa any an-toerana.

Les commentaires sont fermées.