Flash
Préc Suiv

Tselatra

Niharan’ny fanafihan-dahalo tao Ankazobe indray ny taksiborosy iray hihazo an’i Mahajanga, ny asabotsy alina teo. Tsy nanaiky hanao dia miaraka amin’ireo fiarany namany ilay taksiborosy kanjo izao tratran’ny fanafihan-dahalo izao. Voaroba avokoa ny mpandeha rehetra tao anaty fiara. Tezitra tamin’ny fihetsiky ny mpamily ny mpandeha rehetra tao anaty fiara.

Nivadika ny lakana tao amin’ny fokontany Andika, kaominina ambanivohitr’i Belo sur Mer Morondava, ny lakana misy motera nitondra olona miisa 15  sy saribao tamina gony maromaro. Avy any Andika hihazo an’i Morondava ity lakana ity no nidona tamin’ny bolongam-bato tao anelanelan’i Nosy Be sy i Betania ka rendrika avy hatrany.  Tsy nisy ny aina nafoy fa avotra avokoa ny mpandeha rehetra.

Les commentaires sont fermées.