Flash
Préc Suiv

Nanamafy ny Praiminisitra Ntsay C.: « Amin’ny 7 novambra ny fifidianana »

Ny governemanta izay tarihiko ary amin’ny maha lehiben’ny governemanta ny tenako, manamafy ho ren-tany ho ren-danitra fa tsy miova intsony ny andro hanatanterahana ny fifidianana ny 7 novambra », hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny fivoriana atrikasa natao tany Moramanga ny faran’ny herinandro teo.

Nandray anjara tamin’izany fivoriana atrikasa izany ireo tomponandraiki-panjakana ireo talem-paritra, ireo lehiben’ny sampandraharaham-panjakana, ireo ben’ny Tanàna. Laharam-pahamehana voalohany ary iray ao anatin’ny zavatra maro rehetra ny fifidianana.

Tsy maintsy atao amin’ity taona ity ny fifidianana

Mazava ny lalàmpanorenana fa tsy maintsy atao amin’ity taona ity ny fifidianana, na maro aza ny resaka mandeha amin’ny hoe: andao hodinihina indray mandeha ny momba izay fanatanterahana ny fifidianana izay, andao somary hahemotra kely…

Manao antso avo ho an’ireo manana fahefana isan-karazany izy, amin’ny ambaratongam-pitantanana misy azy ireo avy: mila mjoro amin’ny fahamarinana, mijoro amin’ny ady amin’ny kolikoly ary misoroka izany. « Satria ilaina dia ilaina ny fametrahana fifampitokisana indray mandeha eo amin’ny olom-pirenena sy ny manampahefana », hoy izy.

Tsy ny ezaka fotsiny no zava-dehibe amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana any an-toerana sy amin’ny lalam-pirenena RN 44 fa ny vokatr’izany ezaka izany.

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.