Flash
Préc Suiv

KMF/Cnoe: « Arahi-maso ny Ceni »

« Misy lalàna mifehy azy ny amin’ny rantsa-mangaikan’ny Ceni, raha ny fomba fijerin’ny KMF/Cnoe. Mametraka io lalàna io fa aty amin’ny foibe nasionalin’ny Ceni no misy ny fampisafidianana ny karazana solontena amin’izany. »

Izay ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe, Andriamalazaray Andoniaina, manoloana ny ahiahy hoe olom-boatendrin’ny olom-panjakana ny rantsa-mangaikan’ny Ceni. Rehefa manomboka any amin’ny rantsa-mangaika eo anivon’ny faritany, na ny faritra, na ny distrika, na kaominina, eny, hatrany fokontany amin’ny « agent électoraux »: tena fahefan’ny Ceni foibe tanteraka ny manendry ireny olona ireny, raha ny voalazan’ny lalàna mifehy ny Ceni.

Mila ovaina ny lalàna, raha hanova…

« Raha hanova an’izay isika, mila ovaina ny lalàna mifehy ny Ceni « , hoy izy. Raha tsy izay, miomana isika amin’ny hoe: mila mametraka fitokisana amin’ireo rantsa-mangaikan’ny Ceni ireo. Na eo aza izay fitokisana izay, mila fanaraha-maso ihany koa…

Tamin’ny lalàna mifeny ny Ceni teo aloha, mipetraka tsara ny fisoloan-tena isaky ny rantsa-mangaika isan’ambaratonga. Amin’izao fotoana izao, eo anivon’ny foibe nasionaly ihany ny fisoloan-tena no tena mipetraka, satria izay ny voalazan’ny lalàna.

Tsy ao anatin’ny rantsa-mangakain’ny Ceni ny lehiben’ny fileovana na « prefet », ny lehiben’ny distrika na ny delegem-panjakana.  Na izany aza, afa-mila vonjy amin’izy ireny ny Ceni amin’ny fotoana mety manahirana azy. Izay ny antony…

Vokany, lasa manao tamberin’andraikitra amin’izay nanendry azy fa tsy amin’ny Ceni ilay rantsa-mangaika. Nokianin’ny KMF/Cnoe hatrany izay hatramin’izay. Rehefa misy lalàna holanina, matetika mitsikera izay tsy mety amin’izany ny KMF/Cnoe, fa tsy mitsikera olona. Nefa matetika, tsy rototra amin’izay mpisehatra ara-politika. Rehefa ho tonga ny fifidianana izao vao mikoropaka avokoa amin’izay noresahina tany aloha.

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.