Flash
Préc Suiv

Kitra – «Poule des As 2018»: mbola resy fanintelony ny Elgeco Plus

Kitra – «Poule des As 2018»: mbola resy fanintelony ny Elgeco Plus

Tsy mbola nihiratra ny masoandro ho an’ny Elgeco Plus Analamanga, eo amin’ny fiadiana ny “Poule des As”, taranja baolina kitra. Mbola resy fanintelony indray mantsy izy ireo. Mitarika vonjimaika kosa ny Fosa Jr Boeny.

Nitohy, omaly alahady, ny andro fahatelo eo amin’ny fiadiana ny “Poule des As”, taranja baolina kitra. Dingana farany eo amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Tetsy amin’ny kianja Vontovorona, resin’ny Cnaps Sport, tamin’ny isa mazava 3 no ho 1, ny Elgeco Plus.

Baolina telo tafiditra teo amin’ny fizaram-potoana voalohany avokoa. Nosantarin’i Eric izany, teo amin’ny minitra faha-11, narahin’i Lalaina indray telo minitra taorian’izay ary nofaranan’i Kalusha, tany amin’ny minitra faha-40. Nanjakan’ny Cnaps Sport ny fihaonana, teo amin’ny fizaram-potoana voalohany.

Niezaka sy nanarina ny fahavoazany kosa ny Elgeco Plus teo amin’ny tapa-potoana faharoa. Nanindry ry Bela sy ry Safidy, saingy tsy nety nahita ny mason’haraton’i Leda mihitsy. Nisy mihitsy aza ny baolina tokony ho matin-dry zalahy, saingy nidona tamin’ny tsatoby izany. Tetsy ankilany, nitsitapitapy ny fanafihan’ny Cnaps Sport izay efa nanomboka nanidy trano fotsiny. Efa tany amin’ny minitra faha-88 vao nahafaty ny baolina tokana ho azy ny Elgeco Plus, tamin’ny alalan’i Dino. Tsy mbola manana isa izany ny ekipan’Analamanga, hatreto, izay resy fanintelony.

Samy navotan’ny “penalty”

Tany amin’ny kianja Velodrome Antsirabe indray, nisaraka ady sahala, 1 sy 1, ny Fosa Jr Boeny sy ny FC Vakinankaratra. Ry zareo mpampiantrano no nanokatra ny isa, teo amin’ny minitra faha-19, rehefa nahazo “penalty” ka tafiditr’i Xavier. Hita somary sahirana ny mpilalaon’ny Fosa Jr noho ny haratsian’ny kianja. Na izany aza, nahatafiditra baolina ihany izy ireo, mbola tamin’ny alalan’ny “penalty” ihany, izay matin’i Baggio, teo amin’ny minitra faha-39.

Nanindry ny Fosa Jr, teo amin’ny fizaram-potoana faharoa, saingy tsy nety nahatafiditra baolina intsony.

Mitarika amin’ny isa 7 ny Fosa Jr Boeny, arahin’ny Cnaps Sport amin’ny isa 4. Fahatelo ny FCV Vakinankaratra, manana isa 4, ary farany ny Elgeco Plus, tsy mbola nitoko.

Hitohy ny 2 septambra ho avy izao ny andro fahefatra ka handray ny FCV any amin’ny kianja Rabemananjara ny Fosa Jr Boeny ary hanafika ny Elgeco Plus etsy Mahamasina kosa ny Cnaps Sport.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.