Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: fandinganana ny fotoana maitso ahitra

Tsy ho ela intsony indray ity dia hiatrika fotoan-tsarotra ny vahoaka. Tsy manamaivana ny fahasarotan’ny fiainana ankehitriny akory ny filazana izany fa fitenenana fotsiny ny toe-draharaha tsy maintsy ho diavina. Efa iarahana miaina ny fiverimberenana isan-taona ny fotoanan’ny maitso ahitra ary samy efa nizaka ny fahasahiranana aterany. Noho ny fahasahiranana efa mila andifotra ny maro an’isa eto amin’ny fiarahamonina dia mampiahiahy mialoha ny fisehon’ny onja tsy ho ela akory. Ny fifandrifian’ny fisehon’izany amin’ny fihetsiketsehana isan-karazany ho fanomanana ny fifidianana mety hanampy trotraka ho an’ny mponina mizaka fangirifiriana.

Ho an’ireo olona nilatsaka amin’ny fifidianana, fandaniam-bola sy harena tsy hita ho isaina no entiny itetezana ny lafy valon’ny Nosy ahafahany manely hevitra sy handreseny lahatra ny mponina, na an-tanan-dehibe na any ambanivohitra izay faran’izay adino andavanandro. Mazava hoazy fa mifangarika amin’ny fahasahiranana mianjady amin’ny mponina ny fandaniam-bola iatrehan’ny mpilatsaka izay mampanantena fikarakarana amin’ny fampiasana tetika ambony entina handresena ny fahantrana. Misy moa amin’ireo mpilatsaka tsy maharitra ny fijerena fotsiny ny fahoriana efa mampikaikaika ka manolotra an’izay kely voasambotry ny tànany hatao ody ambavafo. Samy manana ny fijeriny an’izany fomba izany.

Tsotra anefa angamba ho an’ny olona ianjadian’ny fahasahiranana, ny tsy fandavana fanomezana ary mba tsy ho very fanajana tena noho izay dia tsy fanaovana adidy ny valiny ho setrin’ilay fanomezana. Foana arak’izay ny fitsaran’ny sasany manambara fa olona vidiana ny vahoaka sahirana. Tsy afaka atao safobe mantsina koa ireo mpanolotra ka heverina ho tompom-bola adala, na eo aza ny mety ho tetika ambadiky ny fanomezany. Mety ho eo koa ny fihetseham-po manoloana ny fahoriana vokatry ny tsy fahampiana.

Mamitaka ihany ny filazana sy ny fisehon’ny loka indraindray. Voalaza ho maitso ahitra moa nefa araky ny tazana dia faran’izay maina ny tany, ary maro karazana ny loko amin’io fotoana io. Ny mponina mangamangana noho ny fihafiana isan-karazany. Any anefitra lavitra noho ny tsy fahampian-tsakafo, mena volo ny ankizy maro. Ny mpitsidika anefa toa tsy mivalo-mainty na fotsy hatsatra na bora-mena noho ny fahavitana adidy mikasika ny fiarovana. Samy manana ny anjarany hono. Ny azy anio dia ny fanomezana fanampiana, ny an’ny olona nisitraka an’ilay fanampiana dia fanomezana vato rahampitso. Andraso eo Paoly ! Iza no homena vato ? Rakotofotsy nitsidika voalohany sa i Rakotofetsy tonga aoriana namafa ny fandalovan’ireo mpifaninana teo alohany ? Samy maramara saina ka misarika any amin’ny fakam-panahy handatsaka vato fotsy. Izay manao izay anefa no very anjara. Eo anivon’ny rehetra izay ratsy avokoa mety hisy olona kelikely faharatsiana noho ireo sasany, izay no iononana.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.