Flash
Préc Suiv

Fitohanana ao Moramanga: mila ahodina ivelan’ny tanàna ny lalam-pirenena

Fitohanana ao Moramanga: mila ahodina ivelan’ny tanàna ny lalam-pirenena

Sady renivohitra no sampanana i Moramanga. Renivohitra,satria mila azy Antananarivo, i Toamasina sy Alaotra. Mihaona ao avokoa ny lalana avy any amin’ireo toerana manan-danja ireo eto amin’ny firenena. Ny olana eo amin’ny fifamoivoizana, andro na alina, mitohana ny ao Moramanga noho ireo antony ireo.

Mbola miampy posiposy sy Bajaj ny fiarakodia maro isan-karazany, indrindra fa ny fiara vaventy. “Karazany mikatso ny fihodinan’ny fiainan’ny mponina, misy 60 000, ao amin’ity tanàna ity”, araka ny nambaran’ny ben’ny Tanàna, Rasolofonjatovo Ezekiela. “Eo am-pikarohana hevitra hampisy lalam-pirenena mihodina ivelan’ny tanàna, tsy handalovan’ireo fiarabe aty afovoan-tanàna mihitsy izahay izao”, hoy io ben’ny Tanàna io. Nitsotra izy fa vitsy ny loharanom-bolan’ny kaominina tarihiny ka tsy ahazoana manatanteraka izany faniriana izany.

Lasa any amin’ny kaominin’Ambohibary avokoa ireo orinasa tokony hianteheran’i Moramanga : ny Fanalamanga, ny Panomad, orinasa fanaovana bala ao Sahafitàna, sns. Tsy i Moramanga tampon-tanàna ihany no ipetrahan’izay olana izay fa Ambatondrazaka ihany koa. Asa izay ho hevitr’ireo hirotsaka hofidina filoham-pirenena ?

 

Rarivo        

Les commentaires sont fermées.