Flash
Préc Suiv

Faran’ny herinandro an-tsary

“Revy rock” kosa ny tetsy Andrefan’Ambohijanahary, niaraka tamin’ny tarika Iraimbilanja sy ireo hira tsy afaka am-bavan’ny olona maro. Nahatsiaro ny fahiny fa niaina ihany koa ny ankehitriny ireo nanatrika.

Feomangan’ny tarika Ry Kala Vazo, nanafana ny hetsika tetsy amin’ny Trass Tsiadana. Sady mahay ny feo avo no havanana amin’ny feo milamindamina!

Seho ara-pilazantsara, niaraka tamin’ny Antsa an’i Kristy, omaly tolakandro, teny Saint Etienne Ambanidia. Ny maso finaritra, ny fanahy nahazo aina vao indray !

Zoma alina, ny Olombelo Ricky nampiseho hetsika amin’ireo mpankafy azy tao amin’ny Piment Café Behoririka.

Les commentaires sont fermées.