Flash
Préc Suiv

Fanaterana antontan-taratasy etsy amin’ny  HCC: tafakatra 19 ireo  kandidà ho filoham-pirenena

 19 aloha izany, hatramin’ny omaly, ireo nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiny.  imy ireo vao nametraka izany, nanomboka ny asabotsy sy omaly. Etsy andaniny, maromaro ireo andrasana hatramin’ny rahampitso. Anisan’izany ny kandidà Andrianoelison José na i José Kely. Mety mbola hanolotra koa ny amiraly Ratsiraka. Mandra-piandry izany, mitovitovy avokoa ny vina sy fandaharanasan’ireo kandidà tonga tetsy Ambohidahy. Hamorona asa ho an’ny tanora, hijery ny fandriampahalemana, hiady amin’ny kolikoly…

Ny kandidàn’ny PSD, i Bezaza Eliana : hamerina ny hasin’ny maha Malagasy.  Niavaka ny fidirany tetsy amin’ny HCC fa nitaingina sarety ny tenany.

 

Kandidà anisan’ny tanora, mpahay toekarina, i Imbeh Serge Jovial. Anisan’ny iompanan’ny fandaharanasany ny hiady amin’ny fahantrana…

Tsy mbola ampy 15 amin’ireo olom-boafidy 150 tokony hanasonia, hanohana azy, ny firotsahan’ny kandidà Rasoamaka James Andriatsihety. Efa tafapetraka ny ampahan’ny antontan-taratasiny.

Kandidà hanome vahana ny vehivavy amin’ny lafiny rehetra sy hijery manokana ny tanora amin’ny famoronana asa i Eric “Guanomad” na Rajaonary Eric

Firotsahana fanindroany ho an’ny kandidà Ratsiraka Roland ny amin’ity indray mandeha ity. Nambarany tamin’ny vahoaka teny Antsonjombe ny firotsahany indray.

 

Ny zanaky ny mpanorina ny Tim, Ravalomanana Sahara, nametraka ny filatsahan-kofidin’i « Dada » tetsy Ambohidahy.

Les commentaires sont fermées.