Flash
Préc Suiv

Amoronkay: nisy nanimbazimba ny rovan’Ifanongoavana

Amoronkay: nisy nanimbazimba ny rovan’Ifanongoavana

Hatairana ny an’ny rehetra, indrindra ny ao Amoronkay, raha nahita fa nisy nanota fady ny rovan’Ifanongoavana, iray amin’ireo toerana manan-kasina sy manan-tantara eto Imerina. Naparitak’ireo jiolahy ny toerana misy ny fasan’Andrianampongadanitra…

Nisy nandoto ary notetezin’ireo jiolahy sady noravaravaina ny fasan’ny andriana Andrianampongadanitra, iray amin’ireo andriana nanana ny tantarany tao Ifanongoavana Amoronkay. Hatreto aloha, tsy fantatra mazava izay tompon’antoka amin’ity raharaha fanimbazimbana vakoka manan-tantara ao Ifanongoavana ity. Naparitak’ireo nahavanon-doza sady nosimbain’izy ireo ny rova misy ity vakoka ity. Vohitra masina iray eto Imerina nitoeran’ny razan’ireo taranak’andriana sy mpanjaka teto Imerina ity nisy nanota fady ity. Raha ny tantara, mpanjaka niaina tany amin’ny taona 1350 – 1400 tany ho any Andrianampongadanitra izay nonina tao amin’ny rovan’Ifanongoavana. Vohitra manan-tantara ary isan’ireo toerana mahasarika mpizahatany sy anaovan’ireo mpianatra ao anatin’ny sampam-pianarana arkeolojia eny amin’ny oniversiten’Antananarivo fikarohana manokana ny rovan’Ifanongoavana. Maro ireo mpianatra efa nitsidika ity toerana mirakitra ny tantaran’ny fitondrana tamin’ny andron’ny fahampanjaka ity. Vohitra anaty kirihitr’ala amina tendrombohitra mirefy 1 624 metatra ny haavony.

Nametraka fitoriana ny taranak’Andrianamponga…

Manoloana ity raharaha fanimbazimbana ity, nametraka fitoriana eny amin’ny manam-pahefana ireo taranak’Andrianamponga ary miandry ny tohin’izany fitoriana izany izy ireo. Maty hasina, araka izany, ity toerana manan-tantara ity, noho izany, miantso ny rehetra tsy ankanavaka handray andraikitra tandrify azy mba hianatra sy hitia ary hikolokolo ireo vakoka rakitry ny elan’ny tantara teto amin’ny firenena izy ireo.

Tsy vao izao no nahitana fanimbazimbana ireny rova manan-tantara eto Madagasikara ireny. Goavana tamin’ireny ny fahamaizan’ny rovan’i Manjakamiadana, ny novambra 1995. Teo koa ny fahaverezan’ny satroboninahitry ny mpanjaka Ranavalona izay very anjavony ny  raharaha na teo aza ny fampidirana am-ponja ireo olona ahiahina ho tompon’antoka tamin’izany. Tsy nisy intsony ny niafarany fa ny dika mitovin’ilay satroboninahitra sisa naverina ao Andafiavaratra fa ilay tena izy, tsy hita intsony. Lasan’iza sy/na nanaovan’iza? Endrika tsy fanomezan-kasina ny vakoka sy ny kolontsaina malagasy avokoa izany. Ireo vahiny avy any ivelany aza, mihazakazaka tonga eto amintsika hamantatra amin’ny antsipiriany momba izany. Aiza ho aiza amin’izany isika eto Madagasikara?

J.C

Les commentaires sont fermées.