Flash
Préc Suiv

Taorian’ilay fifampitifirana teny Anosivavaka: fitaovam-piadiana mahery vaika maro no sarona

Taorian’ilay fifampitifirana teny Anosivavaka: fitaovam-piadiana mahery vaika maro no sarona

Ankoatra ny fiarakodia 4X4 misy nomerao samihafa, fitaovam-piadiana raitra sy tena mahery vaika, izay samy fampiasan’ny mpitandro filaminana, toy ny Kalachnikov, ny PA Makarov, ny PATT, miaraka amin’ny fahana sy bala marobe, ny grenady tena mahafaty, ny finday… no saron’ny vondrona iraisan’ny’ny polisy sy zandary miady amin’ny fakana an-keriny, taorian’ilay fifanjevoana teny Anosivavaka, afakomaly hariva.

Fantatra nandritra ny valandresaka nataon’ny  “cellule mixte d’enquête” (CME) izay  hitambaran’ny polisy sy ny zandary miady amin’ny fakana an-keriny, notarihin’ny Contrôleur général de police, Andrianirina Alain Bruno sy ny Kly Botou Estelin, omaly, ny antsipiriany momba ny fifandonana mahery vaika teny Anosivavaka, afakomaly. Mpandraharaha teratany karana iray mipetraka eny Anosivavaka Ambohimanarina no saika halain’ireo jiolahy an-keriny tamin’io afakomaly hariva io ary efa nipetrapetraka avokoa ny paikady rehetra entin’ireo jiolahy manao io fakana an-keriny io. Manoloana izany, nandray fepetra avy hatrany ny CME ary niara-niasa tamin’ireo sampana manokana eo amin’ny Sag, ny UIR, ny Usi-n’ny polisy sy ny GSIS-n’ny zandary. Tokony ho tamin’ny 5 ora hariva, efa voahodidina mpitandro filaminana maro manao fanamiana sivily teny amin’ny manodidina an’Anosivavaka. Tonga mialoha ny fotoana ary efa nijanona tamin’ny fiara teo amoron-dalana ireo jiolahy mpaka an-keriny. Tanjon’ireo mpitandro filaminana ny hisambotra ireo mpaka an-keriny, saingy tsy nanaiky mora ry zalahy ka raikitra ny fifanjevoana sy ny fifampitifirana. Vokany, rotidrotiky ny bala ny jiolahy roa raha tafaporitsaka ny roa lahy na dia efa voatifitra ihany koa aza. Iray azo sambo-belona. Tsy nifandrenesana ny poabasy teny amin’ny manodidina an’Anosivavaka, Ambodimanga hatreny Ambohimanarina ny firefodrefotry ny basin’ny mpitandro filaminana.

Naka an-keriny ilay teratany karana teny Ivandry…

Tratra tao anatin’ny fiaran’ireo jiolahy ny sakaosy iray lehibe feno fitaovam-piadiana mahery vaika, izay nahitana : ny basy Kalachnikov roa miaraka amin’ny chargeurs sivy misy bala miisa 32 avy, ny PA Makarov iray miaraka amin’ny chargeurs telo misy bala fito avy, Patt iray miaraka amin’ny chargeurs roa misy bala fito isanisany avy, ny  grenady mahery vaika telo, ary maritoa vy iray entina hamakiana ny varavaran’ny fiara misy ny olona halaina an-keriny raha toa ka manohitra izy. Nahitana fanamiana mpitandro filaminana ihany koa niaraka tamin’ireo fitaovam-piadiana mahery vaika ireo. Ankoatra ireo, nahitana telefaonina finday miisa dimy miaraka amin’ny puce-ny avy ary puce vaovao mbola tsy niasa koa tratra tany amin’izy ireo.

Araka ny fanazavan’ny CME, nahazo loharanom-baovao momba ny trangana fakana an-keriny teto an-drenivohitra nanomboka ny volana oktobra 2017 izy. Nandritra ny fikirakirana ireo vaovao azon’ny CME no nahasamborana mpivady iray, ny 14 aogositra 2018 teo. Ny famotorana no nahafantarana fa andian-jiolahy iray tarika ihany no niketrika sy nanao ireo fakana an-keriny nitranga teto an-drenivohitra ireo. Mampiasa fitaovana maro samy hafa ary raitra ry zalahy, toy ny fiara 4×4 isan-karazany ary ovaina laharana matetika, miampy ireo fitaovam-piadiana mahery vaika. Fantatra fa ry zalahy ireto ihany no tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny ilay teratany karana vavy nalain’ny jiolahy an-keriny teny Ivandry, ny volana jolay lasa teo. Tsy misy afa-mandà mihitsy aloha hatreto fa basina mpitandro filaminana io. Mendri-piderana ny ezaka vitan’ny mpitandro filaminana, saingy tsy mbola nisy fanambarana mazava hoe toby miaramila taiza na mpitandro filaminana iza marina no tena tompon’antoka amin’ny famoahana itony fitaovam-piadiana mahery vaika itony ka tonga eny am-pelatanan’ny jiolahy? Izany anefa no andrasan’ny mpanara-baovao amin’izao. Sao tokony hisy sivana goavana mialoha ny handraisana ireo tanora hiditra hanatevin-daharana ny fianakaviamben’ny mpitandro filaminana. Lasa ifandrombahan’ireo tanora tsy mahita asa ny hiditra hanao mpitandro filaminana, hany ka lasa mania rehefa tafiditra ao ary mivadika miray tendro amin’ny jiolahy mihitsy ny sasany.

Jean Claude sy Fanou

Les commentaires sont fermées.