Flash
Préc Suiv

Noho ny fihinanana fanafody: zazavavikely teraka tsy nisy loha

Noho ny fihinanana fanafody: zazavavikely teraka tsy nisy loha

Trangana fahasamponana tsy dia fahita firy no nisy tao amin’ny toeram-piterahana HopitaliBe Toamasina, ny alakamisy 16 aogositra lasa teo. Zazavavikely teraka ny alakamisy tamin’ny 2 ora tolakandro no tratran’ny fahasamponana tao am-bohoka. Ilay fahasamponana antsoina hoe « acranie fœtale » no mahazo azy. Izany hoe fahasamponana ara-piforonana eo amin’ny loha. Tsy nisy loha ilay zaza. Mazava ho azy fa tsy nisy sofina, tsy nisy vava, tsy nisy orona ihany koa fa lela kely no mipetaka eo ambany. Teraka tamin’ny fomba ara-dalàna kosa izy, tsy nila fandidiana ny reniny. Ny reniny izay 31 taona ary monina ao Toamasina. Ny angom-baovao natao teny amin’ny Hopitalibe hatrany no nahalalana fa 3kg sy 500 g ny lanjany teo am-pahaterahana. Tamin’ny fotoana nanoratanay ny vaovao ( zoma antoandro), mbola miaina ilay zaza sampona ary hafindra any amin’ny hopitalin-jazakely. Fantatra kosa fa efa nilaza tsy handray an-tanana azy ny ray aman-dreniny sy ny
fianakaviany.
Raha ny fanazavana nomen’ny rasazy Jeannella izay lehiben’ny toeram-piterahana eo anivon’ny Hopitalibe Toamasina,  ahiana ho vokatry ny fihinanana fanafody nandritra ny fitondrana vohoka no
nahatonga izao fahasamponana izao. Nandritra ny fanangonan’ny mpanao gazety ity vaovao momba ny fahasamponana ity, nanararaotra nanentana ireo vehivavy bevohoka ity rasazy efa fanta-daza amin’ny fikarakarana vehivavy bevohoka sy ampy traikefa amin’ny fampiterahana ity tamin’ny filazana fa tokony tsy hihinam-panafody fahatany ny vehivavy iray rehefa bevohoka, indrindra fa eo amin’ny faha-3 volana voalohany. Misy fanafody tena miteraka acranien fœtale io. Tokony hanatona mpitsabo hatrany rehefa misy tsy azoazo ka mila mitelina fanafody. Araho antsakany sy andavany ireo torohevitra omen’ny rasazy, hoy hatrany ny fanazavan’ny rasazy Jeannella.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.