Flash
Préc Suiv

Brickaville: nivadika ny fiaran’ireo mpizaika hamonjy ny 50 taon’ny FJKM

Brickaville: nivadika ny fiaran’ireo mpizaika hamonjy ny 50 taon’ny FJKM

 Nivadika tao anaty fiolahana mampidi-doza ao Brickaville, afakomaly ny fiara nitondra ireo mpizaika avy ao amin’ny mpino FJKM hamonjy ny faha-50 taon’ny FJKM any Toamasina. Vokany, olona 10 naratra…

 Mpino kristianina hamonjy ny zaikaben’ny FJKM any Toamasina ireto tra-doza tao Brickaville ireto. Araka ny fampitam-baovao voaray, teo amin’ny 7 km tsy idirana an’i Brickaville no nitranga ny loza vokatry ny fandehanana mafy. Voalazan’ireo mpino fa nandeha mafy ny mpamilin’ilay fiara nitondra azy ireo nefa niditra tao anaty fiolahana ka tsy voafehin’ny mpamily intsony izany ka nivadika ny fiara. Vokany, olona miisa 10 naratra mafy (olon-dehibe valo raha ankizikely kosa ny roa). Nidona tamin’ny vato ny fiara ary vaky ny fitaratry ny fiara. Notsaboina haingana tao Brickaville ireo naratra mialoha ny nitondrana azy ireo any amin’ny Hopitalibe Toamasina. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na teo aza ny ratra nahazo ireto mpino kristianina tra-doza tao Brickaville ireto.

Fa taxi-be iray mampitohy an’Ambatofotsy koa no nifandona tamin’ny fiara kely iray teny Tanjombato, omaly tolakandro. Nitondra mpandeha hihazo an’Ambatofotsy ilay taxi-be raha hiakatra aty an-drenivohitra kosa ilay fiara kely. Voalaza fa nisongona fiara teo alohany ilay fiarakely, kanjo tsy tafasongona fa nifanojo tamin’ilay taxi-be. Niezaka niala ihany ilay vehivavy nitondra ilay fiara ka nivadika tany amin’ny ilany ankavanana ny fiara ary nifatratra tamin’ny tranon’olona. Naratra ny mpandeha sasany tao amin’ilay taxi-be ary nentina haingana any amin’ny hopitaly. Nahitana fahasimbana ihany koa ireo fiara nifandona. Tsy nisy ny aina nafoy. Tampoka ny fiavian’ny loza. Tsy misy afa-tsy ny fitandremana ihany satria patsa iray tsy omby vava rehefa ho avy  ny loza.

J.C

Les commentaires sont fermées.