Flash
Préc Suiv

Kitra – «Super coupe d’Europe»: resy ny Real de Madrid vao tsy nisy CR7 sy i Zidane

Kitra – «Super coupe d’Europe»: resy ny Real de Madrid vao tsy nisy CR7 sy i Zidane

Manomboka mivaralila ny Real de Madrid, amin’izao fotoana izao. Miseho lany sahady ny tsy fahombiazana, eo amin’ny fifaninanana, atrehiny. Votsotra ny “super coupe d’europe”, satria resin’ny Atletico de Madrid, ry zalahy.

 

Tsy namokatra ny Real de Madrid, vao nilaozan’ireo kalaza tao aminy dia i Zidane, mpanazatra sy i Ronaldo, mpamono baolina. Lavon’ny Atletico de Madrid, ry zalahy, nandritra ny fiadiana ny “super coupe d’europe”, taranja baolina kitra. Fihaonana notanterahina ny alarobia lasa teo, tao amin’ny kianja A. Le Coq Arena, any Estonia. Marihina fa lalao nikatrohan’ny ekipa tompondaka sy ny nahazo ny Europa ligue. Niondrika tamin’ny isa 4 no ho 2 ny Real, tamin’ity.

Niady ny fihaonana satria efa tany amin’ny fanalavam-potoana vao tafavoaka ho mpandresy ny Atletico. Na izany aza, ry zareo no nanokatra ny isa, vao nanomboka 1 mn monja ny fihaonana. Baolina tafiditr’i Diégo Costa.

Tsy nihafihafy anefa ny Real na tsy teo aza i Ronaldo. Mbola naneho ny fahaizany i Gareth  Bale, nanolotra ny baolina ho an’i Benzema, ka namono izany, teo amin’ny minitra faha-27. Tsy nijanona teo fa mbola nitohy izany fahombiazana izany ka nitarika tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Real, teo amin’ny minitra faha-63, taorian’ny “penalty”, tafiditr’i Ramos, rehefa nandray tanana tao anaty faritra tsy azo ivalozana, i Juanfran. Betsaka ny nihevitra teo fa  tsy hahatohitra ny Real intsony ny Atletico. Tafaporitsaka indray anefa i Diego Costa, tany amin’ny minitra faha-79, nanasahala ny isa teo amin’ny roa tonta.

Niroso  tany amin’ny fanalavam-potoana

Tsy nisy intsony ny baolina maty taorian’io ka voatery niditra teo amin’ny fanalavam-potoana. Tsy nahatosika ny Atletico intsony nanomboka teo ny Real ka nisesy ny baolina tafiditra. Mbola nanampy izany, i Saül Niguez, teo amin’ny minitra faha-98 sy ny an’i Koke Resurreccion, tany amin’ny 6 mn tsy hiravana.

Hita ny fahabangana teo amin’ny tsy fisian’i Zidane, amin’ny fandaharana ireo mpilalao sy ny fahaizana manolo izany ao anatin’ny fihaonana, ary ny tena lesoka  ny tsy fahampian’ny mpamono baolina, anisa’ny nampiavaka an’i Cristiano Ronaldo.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.