Flash
Préc Suiv

Volley-ball Analamanga: hiatrika ny famaranana ny GNVB sy ny JSA (B)

Volley-ball Analamanga: hiatrika ny famaranana ny GNVB sy ny JSA (B)

Notanterahina, omaly alarobia tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ireo lalao manasa-dalana, hiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, taranja volley-ball, sokajy D1 lehilahy. Tafita hiatrika ny famaranana ny GNVB sy ny JSA (B). Resin’ny GNVB, tamin’ny seta 3 no ho 1, ny JSA (A) tamin’ny isa 25/15 ; 25/18 ; 21/25 ; 25/13.

Tsy niady ny seta roa voalohany, izay nanjakan’ny Zandary. Hita ho nanana tombony ry Eric sy ry Mamizara, nampian’i Tolotra sy i Manou, ho an’ny GNVB. Niezaka nanohitra ihany teo amin’ny seta fahatelo ry Hery sy ry Luc ary i Tsiry ka nahitam-bokany izany satria lasany, tamin’ny isa 25 no ho 21, izany. Tsy nitohy anefa izany fahombiazan-dry zalahy izany fa nijanona teo ihany fa nalain’ny Zandary mora foana ny seta fahefatra farany.

Teo amin’ny ankatoky ny famaranana iray indray, resin’ny JSA (B), tamin’io seta 3 no ho 1, io ihany koa ny Cosfa: 25/20 ; 22/25 ; 25/18 ; 25/19. Tsy nampoizin’ny Miaramila mihitsy ny lalao nasehon’ny JSA (B), tamin’ity.

Hotanterahina ny asabotsy 25 sy ny alahady 26 aogositra ho avy izao ireo famaranana rehetra, amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga ity.

 

Torcelin

Les commentaires sont fermées.