Flash
Préc Suiv

Antohomadinika: nirefodrefotra ny poa-basy, jiolahy roa lavon’ny Sag

Antohomadinika: nirefodrefotra ny poa-basy, jiolahy roa lavon’ny Sag

Maty rotiky ny balan’ny polisin’ny Sag teny Antohomadinika, afakomaly, ny jiolahy roa raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana. Mbola nahatrarana fitaovam-piadiana tao an-tranon’izy ireo…

Nihoronkoditra ny mponina eny Antohomadinika sy ny manodidina nandritra ny fifampitifirana teo amin’ny jiolahy sy ny polisin’ny Sag. Nirefodrefotra ny poa-basy nandritra ny fifanjevoana. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy, nahazo loharanom-baovao marim-pototra ny polisin’ny Sag tamin’io fotoana io fa misy andian-jiolahy mikononkonona fanafihana mitam-piadiana ao amina trano iray eny Antohomadinika. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny polisy ka voamarina tokoa ny fisian’ireto andian-jiolahy mikononkonona fanafihana mitam-piadiana ireto. Nametraka ny paikady rehetra amin’ny ahafahana misambotra ireto andian-jiolahy ireto ny polisy kanjo nitifitra avy hatrany ireo raha vao nahatazana ireo polisy. Raikitra ny fifampitifirana ka lavon’ny polisy ny roa amin’ireo jiolahy ireo. Tafaporitsaka ny naman’ireto jiolahy ireto ary mbola eo am-pikarohana azy ireo ny polisy, araka ny fampitam-baovao hatrany. Nahitana baramina, pince, basim-borona, basy Revolver ary bala maromaro tao an-tranon’ireo jiolahy, nandritra ny fisavana nataon’ny polisy.

Jiolahy roa hafa tratra teny Andravoahangy…

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Antaninandro teny Andravoahangy Ambony, ny faran’ny herinandro teo, koa ny jiolahy roa raindahiny amin’ny halatra mitam-piadiana. Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy no nahatrarana ireto jiolahy ireto teo nitampify tao amin’ny maizimaizina akaikin’ny tohatohatra iray eny Andravoahangy Ambony. Nosavaina avy hatrany izy ireo, saingy tsy nanana kara-panondro. Rehefa nosavaina tany amin’izy ireo, nahitana basy kilalao iray sy antsy lava iray. Nosamborin’ny polisy avy hatrany izy roa lahy hanaovana fanadihadiana. Fantatra, nandritra ny fanadihadiana, fa ny nihaodihaody nanodidina ny tobin-tsolika iray eny Andravoahangy Ambony ireto jiolahy ireto, ny alahady tamin’ny 10 ora alina lasa teo. Nilaza izy ireo fa teo am-panomanana ny tetika hanafihana ilay tobin-tsolika ry zalahy kanjo tratra tampoka. Nahatrarana moto Scooter iray koa teo akaikin’izy ireo ary nolazainy fa azy ireo io moto io. Fantatra taorian’ny fanadihadiana ihany koa fa moto halatra ity moto ity ary tsy ananan’izy roa lahy ny taratasy momba ilay moto. Nilaza ry zalahy fa moto vao nangalarin’izy ireo ny asabotsy alina io moto io ary saika hampiasainy hanaovana io asa ratsy nokasainy hatao ny alahady io ny antony nangalarany azy.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.