Flash
Préc Suiv

Mahajanga: nametraka Gab vaovao iray ny BMOI

Mahajanga: nametraka Gab vaovao iray ny BMOI

Nametraka Gab vaovao ny banky BMOI any Mahajanga, ny 9 aogositra teo. Eo amin’ny Baobab City no misy ity milina vaovao ity, ahazoan’ireo mpanjifa maka vola milamina tsara amin’ny alalan’ny karatra Visa BMOI : Gold Premier, Classic Executive, Adagio sy Allegro. Miisa 26 izany izao ny Gab BMOI manerana ny Nosy sy masoivoho 19, ka ny roa amin’ireo foibe fanaovana fandraharahana.

Manakaiky kokoa hatrany ny mpanjifa ny fametrahana ireny Gab ireny, maneho ny fahavononany ny BMOI sy mampivelatra ny tambajotra maoderina arahina teknolojia  vaovao. Tsara ho fantatra fa najoro ny taona 1989 ny BMOI, banky tsy miankina voalohany eto Madagasikara, ao amin’ny vondrona BPCE. Ny BPCE faharoa, any Frantsa manana rafitra iray iraisan’ny banky dimy aty Afrika, telo any Azia. Mifantoka amin’ny raharaham-barotra, famatsiam-bola ho an’ny fanaovan-trano, fiaraha-miombon’antoka, misy ny tahirin’ireo trano fiantohana maro, sns.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.