Flash
Préc Suiv

Ambohitsoa – Andriampamaky: fasana dimy vaky, razana miisa 60 indray nanjavona

Ambohitsoa – Andriampamaky: fasana dimy vaky, razana miisa 60 indray nanjavona

Lasan’ny mpamaky fasana ny razana miisa 60 tamina fasana dimy ao amin’ny fokontany Ambohitsoa, kaominina Andriampamaky, distrikan’i Manjakandriana, ny asabotsy alina hifoha alahady 12 aogositra 2018 lasa teo…

 Araka ny fanazavan’ny renim-pianakaviana iray tompom-pasana, olona nandeha hivavaka vao maraina, nandalo teo akaikin’ireo fasana ireo, no nahatsikaritra fa mivoha ny varavaram-pasana iray. Taitra, noho izany, ilay olona raha nahita ny fasana nivoha ka nampilaza haingana amin’ny olona eny an-tanàna momba ity fasana nisokatra ity. Nifampilaza avy hatrany ny olona ao amin’ny fokontany ka nirohotra nihazo ny fasana. Nisy amin’ireo tompom-pasana sasany ny mipetraka aty an-dRenivohitra ka lasa nidina haingana tany an-toerana raha vao vantany naheno ity vaky fasana ity. Nohamafisin’ity renim-pianakaviana iray, nitantara, ity hatrany fa saika ireo taolan-dava (tanana sy tongotra) avokoa no tena nangalarin’izy ireo. Najanon’ireo mpangalatra ary naparitany tao am-pasana kosa ny taolan-tratra sy ny karan-doha. Niparitaka avokoa ny razana rehetra tao am-pasana ary an-kevitry ny nanam-potoana maharitra mihitsy ireo olon-dratsy nanavaka ireo taolan-dava tao am-pasana. Fantatra fa misy amin’ireo fasana sasany, razana efa ho 20 mahery indray nanjavona, raha latsak’izany kosa ny sasany. Mitotaly 60 kosa ny isan’ny razana very rehefa natambatra ny isa. Nambaran’ireo fianakaviana very razana fa tena nalain’ireo mpangalatra ireo razana manodidina ny 10 taona tany ho any fa tsy nisy nokitihin’izy ireo kosa ny razana efa tranainy be.

Nodoran’ireo mpangalatra ny tranompokonolona

Nifanindran-dalana amin’ity vaky fasana ity, nodoran’ny jiolahy koa ny tranompokonolona sy ny trano fitahirizam-bokatra ao an-toerana. Tsy vitan’izay fa lasan’ireo jiolahy hatramin’ny akoho amam-borona tany am-pisoko. Manahy ireo tompom-pasana sy ny mponina ao amin’ny fokontany fa ireo mpangalatra taolam-paty ihany ny ao ambadiky ny fahamaizan’ny tranompokonolona sy ny trano fitahirizam-bokatra mba hameriverena sy/na tsy hamantaran’ny olona ny vaky fasana ataon’ireo olon-dratsy, tamin’io alina io.

Hatreto aloha, tsy fantatra mazava izay tompon’antoka amin’ity vaky fasana nahaverezana razana marobe ity. Tonga nanao fanadihadiana teny amin’ireo fasana vaky ireo ny zandary sy nanao sakana ny toerana mety handalovan’ireo olon-dratsy, saingy tsy mbola nisy tratra ireo nahavanon-doza, hatramin’ny omaly.

J.C

Les commentaires sont fermées.