Flash
Préc Suiv

Ho an’ny telo volana manaraka Hiakatra ny maripana eto Analamanga

 

 Manomboka miala tsikelikely ao anatin’ny ivon’ny ririnina isika amin’izao fotoana izao, tsapa ny taratry ny hafanana mihamahazo vahana. Zavona vao maraina sy amin’ny alina ny eto afovoan-tany amin’ny ankapobeny ary miaraka amin’ny hatsiaka ihany ny mandrafitra ny toetry ny andro. Miha malefaka koa ny tsioka avy any atsimo andrefana, ny alizay. Ho an’ny faritra Analamanga, Itasy ary Bongolava, ho an’ny telo volana manaraka: ny aogositra, ny septambra ary ny oktobra, raha ny tombana amin’ny ankapobeny, ho ambony na hanodidina no ho ny tokony ho izy ny tahan’ny maripana mandritra ny telo volana. Eo amin’ny fatran’ny rotsak’orana, ho latsaka ambany kely na hanodidina no ho ny tokony ho izy izany, araka ny tatitra navoakan’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro.

Hafana ny telo volana ho avy, ary maina ny roa volana voalohany. Manomboka izao, hanjaka ny setroka vokatry ny doro tanety ka mila fitandremana amin’ny toe-pahasalamana, indrindra ireo manana aretin’ny taovam-pisefoana mitaiza (sohika, allérgie). Amin’ny fotoana mampirongatra ny doro tanety koa no mampandositra ny voalavo any anaty ala ka mampiakatra azy ireny ety an-tanety. Tokony ho mailo rehetra hisorohana ny aretina pesta entin’ny parasin’ny voalavo. Eo amin’ny sehatra fambolena, mila arovana amin’ny hafanana ny voly satria hidina ny fatran’ny rotsak’orana sady hamely ny hafanana.

Vonjy A.

 

Les commentaires sont fermées.