Flash
Préc Suiv

Faty roa hita teny Tanjombato: mpamily taxi ahina ho tompon’antoka

Faty roa hita teny Tanjombato: mpamily taxi ahina ho tompon’antoka

 

Mandeha ny famotorana ataon’ny polisy momba ilay vonoan’olona nahatsiravina nahafaty ireo olona roa lahy sy vavy, hita teny Tanjombato, herinandro lasa izay. Iantefan’ny ahiahin’ny fianakaviana sy ny polisy ho tompon’antoka tamin’izany ny mpamily taxi iray.

Voalevina, ny alakamisy teo any Morondava, i Tsitohaina Harindrainy Roberto, 23 taona, ilay zanaka kolonely, nisy namono niaraka tamin’ny tovovavy sakaizany, hita faty teny Tanjombato, ny zoma 3 aogositra teo. Tsy mbola misy mangirana ny fanadihadiana eny anivon’ny polisy misahana ny ady heloka bevava. Araka ny voalazan’ny fianakaviana, nandeha taxi izy roa ireo talohan’ny nahafatesany. Mandeha ny ahiahy fa misy idirany tamin’ny famonoana momba io taxi nandehanan’izy ireo io. « Resaka mandeha io ahiahiahy io fa tsy mbola voaporofo aloha, hatreto. Hanao fanadihadiana ihany koa izahay manomboka amin’ny herinandro rehefa tonga any an-drenivohitra. Tsy avelanay ho vitavita amin’izao ity raharaha ity. Mafy aminay fianakaviana», hoy i Tsitohaina Edinard Antonick, zokin’ilay namoy ny ainy, raha nanontanian’ny mpanao gazety.

Nilaza ny eo anivon’ny polisy fa mbola anatin’ny fanadihadiana tanteraka. Milaza izy ireo fa betsaka ny resaka tonga eny amin’izy ireo, saingy mbola anatin’ny fanamarinana izany ry zareo.

Mpianatra avy any Fianarantsoa

Araka ny fanazavan’ny fianakavian’ny maty ihany, mpianatra any Fianarantsoa ka nandalo teto an-dRenivohitra ny olon-tian’i Roberto. Ny alakamisy 2 aogositra izy io no tonga teto. “Nilaza tamin’ny tao an-trano i Roberto fa tsy hody izy tamin’io alakamisy io fa hiaraka amin’ny namany. Efa ela tsy nifakahita izy roa ka tsy nanakana ny fianakaviana. Efa fantatra rahateo ny momba io olon-tiany io”, hoy ny zokin’i Roberto. Tsy nody i Roberto, ny zoma 3 aogositra, ka nanomboka nitaintaina ireo havany. “Nahita ny sary tamin’ny facebook izahay, saingy tsy fantatra ny endrik’ireo olona. Nanadihady ny polisy teny Tanjombato sy ireo misahana ny heloka bevava taorian’izay fa tsy nahitana taratra fa ny zandrinay ilay hita faty, raha ny fitanana an-tsoratra teny amin’izy ireo. Teny amin’ny tranompatin’ny HJRA vao resy lahatra ny fianakaviana fa i Roberto sy ilay sakaizany tokoa ilay nisy namono teny Tanjombato”, hoy hatrany ny zokin’ity nisy namono. Voalaza fa mpirahalahy amin’ireo zanaka kolonely iray, andiany faha-13 nivoaka tany amin’ny Akademia miaramila Antsirabe, i Roberto. Hanao ny fanadihadiana koa ny fianakaviany.

Randria

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique