Flash
Préc Suiv

Mpiandry tsatoby mahay indrindra: nifindra amin’ny Real Madrid i Thibaut Courtois

Mpiandry tsatoby mahay indrindra: nifindra amin’ny Real Madrid i Thibaut Courtois

 

Voafidy ho mpiandry tsatoby mahay indrindra, nandritra ny « Mondial 2018 » tany Rosia farany teo, i Thibaut Courtois, mpilalaon’i Belzika. Noraisin’ny Real Madrid io mpiandry tsatoby io, mifanaraka amin’ity ekipa any Espaina ity, mandritra ny enina taona. Omaly 9 aogositra, nampahafantarina ny fampahalalam-baovao io fidirany any Espaina io. Mpilalaon’ny ekipa anglisy, Chelsea, i Thibaut Courtois, teo aloha, nandritra efa-taona. Tsy nilaza ny vidin’izao fifindran-toerana izao ny ekipa roa tonta fa tombanan’ny gazety any Espaina ho  tsy latsaky ny 35 tapitrisa euros ; valo tapitrisa eo ho eo ny karamany ho an’ny taom-pilalaovana iray.

R.Mathieu

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique