Flash
Préc Suiv

Mihambo ho mpitondra ny “fanovana ifotony”: volan’ny kaominina 130 tapitrisa Ar mahery nahodinkodin’i Pety

Mihambo ho mpitondra ny “fanovana ifotony”: volan’ny kaominina 130 tapitrisa Ar mahery nahodinkodin’i Pety

 

60 tapitrisa Ar, hofan-tanin’ny kaominina nampiasain’ny toby fivarotan-tsolika iray. 65 tapitrisa Ar, tapakila momba ny fitateram-bahoaka. 7 tapitrisa Ar, hofan-tsena sy haba… Santionany amin’ny fanodikodinam-bola nataon’i Pety, mihambo hitondra ny “fanovana ifotony”, fony izy ben’ny tanànan’i Fianarantsoa  ireo.

Anisan’ny misongadina amin’izany ny fanodinkodinam-bola mitentina 60 tapitrisa Ar amin’ny hofan’ny tanin’ny kaominina an-dRenivohitr’i Fianarantsoa  (CUF), araka ny  datin’ny 16 jona 2008. Mivoitra amin’izany antontan-taratasy izany  fa tsy nalefan’ny ben’ny Tanàna,  Rakotoniaina Pety any amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina  na  ny tahirim-bolam-panjakana, mitondra ny datin’ny 14 desambra 2006, araka ny taratasy avy amin’ny orinasa  mpaninjara solika iray, nifanaraka amin’ny fanofana ny tany.  Tsy vitan’izany fa tafiditra amin’ny fisandohana fahefana koa izao nataony fony izy ben’ny  Tanàna izao.

Ankoatra izany, mbola tafiditra amin’ny raharaha fanodinkodinam-bola amin’ny tapakilan’ny fiara fitateram-bahoaka koa Rakotoniaina Pety ary niarahany amin’ny olona  roa, mpiray tsikombakomba aminy eo anivon’ny birao mpanatanteraky ny kaominina izany. Mitentina  hatrany amin’ny 65 tapitrisa  Ar mahery  io vola  voahodinkodina io. Manampy izany ny hofan’ny tsena  sy ny haba,  mitentina  hatrany amin’ny 7 tapitrisa Ar  mahery.  Tsy  tafiditra any amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina  na  koa ny  tahirim-bolam-panjakana koa  izany vola  izany. Maherin’ny 130  t apritrisa Ar eo  ho eo ireo rehetra ireo.

Fanamparam-pahefana sy antsojay… 

Ampahany ihany ireo, ankoatra  ireo fitarainan’ireo  niharan’ny antsojay na koa fanamparam-pahefana nataony fony izy  nitantana  ny kaominin’i Fianarantsoa.

Midika izany fa manana antontan-taratasy tsy milamina ary efa maloto Rakotoniaina Pety, mitonona ho  mpitondra ny fanovana ifotony . Tokony hijery sy handinika ny tenany aloha vao mitsara sy manaratsy  ny hafa… Hadinon’ity PDS teo aloha ity  fa anisan’ny  namoaka azy tany am-ponja rehefa nogadrain’ny fitondrana  Ravalomanana noho ny nataony ihany, ny filohan’ny Tetezamita Rajoelina.

Randria

Les commentaires sont fermées.