Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Handrivotra ny eto afovoan-tany, anio, ary hidina ihany koa ny maripana ambony indrindra. Any Vakinankaratra, 4°C ny maripana ambany indrindra. Mbola ao anaty vanim-potoana ririnina isika izao fa any amin’ny tapaky ny volana septambra vao hifarana izany, araka ny fanazavan’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro. Noho ny fiovaovan’ny maripana, betsaka no tratran’ny aretin’ny taovam-pisefoana amin’izao fotoana izao, indrindra ireo manana aretina mitaiza, toy ny sohika sy ny « allérgie ».

Anio vao hizara ny taratasy fiantsoana ho an’ny fanadinam-panjakana CEPE ny mpiandraikitra ny sekoly tsy miankina. “Hisorohana ny fahaverezan’ny taratasy ny antony satria iaraha-mahalala ny ankizy fa tsy mbola mahatandrina loatra”, hoy ny mpampianatra. Eo koa ny manao fitaovana ny taratasy fiantsoana hanerena ny ray aman-dreny handoa ny saram-pianarana rehetra. Tsy mahazo taratasy fiantsoana ireo mpianatra 7ème tsy nahaloa izany.

Les commentaires sont fermées.