Flash
Préc Suiv

Hira sy mozika: mirona amin’ny tropikaly i Annie

Hira sy mozika: mirona amin’ny tropikaly i Annie

 

Taona 2006, nahita masoandro ny Groupe Annie. Ny famolahana ireo karazana gadona mampitsinjaka, io ny safidin’ny tarika nanomboka teo. Tombony ho an’i Annie rahateo ny fahaizany mandihy rehefa maneho ny sanganasany eny an-tsehatra, noho izy nandalina manokana ny taranja dihy. « Ny mozika tropikaly no ironanay mba hahafahana mizara haravoana sy hafaliana  ary noho ity gadona ity manamora kokoa ny fampitana hafatra anatin’ny tononkira”, hoy i Annie. Ampahany amin’ireo hira efa tsy afaka am-bavan’ny maro ny “Aza atao mahakivy” sy ny “Anao”. Fandaharam-potoan’ny  tarika amin’ity taona ity ny famoahana hira vaovao izay hahodina ho rakitsary.

Tovovavy mpanakanto mahay manavia sy manavanana amin’ny lafiny famoronana hira notrandrahina avy amin’ireo trangam-piarahamonina tetsy sy teroa i Annie. Manana feomanga sy matanjaka ihany koa izy, hany ka mora ho azy kokoa ny milalao ny gadona tropikaly.

Mpanakanto mikendry ny tanjona ho lasa lavitra kokoa hatrany eo amin’ny kanto ataony i Annie.

Nanangona: HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.