Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo, resaky ny mpitsimpona akotry : mitaky mangarahara ny fanaovana parking andoavam-bola

Tsy misy fitsaharana ny fimenomenonan’ny mpitondra fiara mikasika ny fiheboheboana sy fitadiavan’ny mpiasa ao amin’ny Easy Park hanjakazaka. Marina fa solontenan’ny orinasa izy ireny ary manana andraikitra noho ny fanirahana azy hanara-maso ny fandoavan’ny mpanjifa ny sandan’ny fametrahan’ny fiara amin’ireny toerana voafaritra ireny. Laharana voalohany ho an’ny orinasa moa dia ny fampidiram-bola. Noho izany, tsy afaka omen-tsiny ny mpikarama ao aminy raha manatanteraka amin’ny fomba hentitra ny andraikiny momba ny fiarovana ny tombontsoan’ny mpampiasa azy. Tsy tokony ho adinony koa anefa fa rehefa fakafakaina dia ny mpanjifa dia manefa vola izay loharano mamelona an’io orinasa manakarama azy ireo. Na izany na tsy izany, misy ny fifanajana izay tokony hifanaovana eto amin’ny fiarahamonina fa tsy rehefa mahazo fahefana kely dia hiseho hanjakazaka. Fahefana inona anefa ? Mainka izany raha parasily, ravinkatsaka aza dia efa mikasaotsaoka, hoy ilay hira. Fahefana inona tokoa moa ? Fahefana haka sary ny fiara izay tsy mametraka mazava eo amin’ny fitaratra aloha ny tapakila mariky ny nandoavam-bola ho an’ny fiantsonana mandritra ny fotoana voafetra. Impiry moa ireo mpisafo manao fanamiana miavaka no mifamaly amin’ny mpitondra fiara izay tsy manana porofo fa nanefa ny hofan’ny fijanonany amin’ireny parking ireny? Fantatra anie fa mandrahona ry zalahy rehefa manao an’

izay fihetsehana izay. Ny hany adidiny dia ny fakana sary ny fiara izay tsy nanaja ny fepetra ny tompony. Ny fanakaran-dresaka dia misy antony hafa izay tsy mila ambara akory dia efa azon’ny rehetra an-tsaina ny tena antony. Misy aza eny amin’ny parking akaikin’ny fiantsonana atokana ho an’ny taxi ireny dia miray tetika amin’ireny mpiandry fiara ireny izay mbola maro eny amin’ny manodidina an’ireny parking andoavam-bola ireny. Sarotra moa ny fitadiavana toerana. Kinga ery ireo bandy kely amin’ny fitarihana ny mpamily hametraka ny fiara eny amin’ny toerana banga izay anjarany. Raha tsy mitandrina anefa ny tena dia eny amin’ny fitoeran’ny taxi no tarihina hametraka ny fiara. Kelikely ao aoriana dia indreny avy any tonga hitsidika ny mpisafo. Ny iray maka sary, ny iray kosa manatona ny mpamily ka avy hatrany dia mandrahona «tsy fantatrao angaha fa toerana voatokana ho an’ny fiarakaretsaka eto ? Efa azo sary ny fiaranao ary voatery andoa lamandy avo be ianareo. 100.000 ariary rehefa voarainareo ny taratasy fitakiana an’izany. Raha fafana ilay sary dia mety ho simba ny karta, hany fanafody angamba dia ny mividy karta hafa, ny vidiny dia 15.000 ariary». Valiny: aleo handeha any ny lamandy rehefa tonga dia mifanazava any aho, ho hita eo izany 100.000 ariary izany no sady fantatro tsara koa izao ny vidin’izany karta izany. Ianareo moa ve tsy misonia ny tatitra antoky ny fametrahana lamandy ?

Ny olona na momba izay na mikasika ny zava-drehetra dia efa leo ny fanaovana ramatahora.

Léo Raz

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique