Flash
Préc Suiv

Hetsiky ny mpampianatra: nanao diabe teny Andraharo ny Syfema

Hetsiky ny mpampianatra: nanao diabe teny Andraharo ny Syfema

 

Nanao diabe nametraka taratasy manambara ny zava-misy momba ny tolon’ny mpanabe sy ny mpampianatra, teny amin’ny foiben’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana miasa eto Madagasikara, Andraharo, omaly, sendikàn’ny mpanabe tarihin’ny Syfema (Syndicat des fonctionnaire de l’enseigenement de Madagascar) sy ny Sempama Nosy. Niainga avy eny Anosy, teo amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny dia, namakivaky teny Analakely, Antanimena ary nifarana teny Andraharo. Rehefa nidinika tamin’ny mpiandraikitra ny filaminana miambina ny foibem-piasan’ny firenena mikambana ny mpitarika ny sendikà, afaka niditra sy nitafa tamin’ny solontena avy ao amin’ny Organisation internationale du travail (OIT), i Severine Deboos David, manampahaizana momba ny tontolon’ny asa. Nohazavaina tamin’ny tomponandraikitra avy ao amin’ny OIT fa tsy mbola misy ny marimaritra iraisana eo amin’ny sendikà sy ny minisiteran’ny Fanabeazana. Nampanantena ity manampahaizana ity fa hanampy ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana hanelanelana tsy hahatapahan’ny dinika. Hitatitra ny fihaonana any amin’ny mpiandraikitry ny Pnud koa ny tenany.

Mbola nanamafy ny mpitarika ny Syfema fa tomponandraikitra ao amin’ny tanàna no misahana ny fampihodinana ny fanadinana fa tsy mandray anjara ny mpampianatra ao anatin’ny sendikà roa manohy ny tolona. Hitohy, anio eny Anosy, ny hetsika ary hisy ny fehinkevitra iraisana satria tonga eto Antananarivo ny solontena avy any amin’ny faritra maro.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.