Flash
Préc Suiv

« Cirque » anaty « chapiteau »: amin’ny septambra ny hetsika voalohany

« Cirque » anaty « chapiteau »: amin’ny septambra ny hetsika voalohany

 

Araka ny nambaran’ny mpitantana ny fikambanana Chapitô Metisy, any anatin’ny tambajotra sosialy, vita tanteraka ny fividianana ilay « chapiteau » fanaovana « cirque », azo lazaina ho tetikasa goavana napetrak’izy ireo, taona vitsivitsy izay. Ankoatra ny vidin’ilay « chapiteau » mantsy, maromaro ny fitaovana miaraka, izay mbola ilaina be ihany koa amin’ity karazan-javakanto, tsy fahita matetika, eto amintsika, ity.

Betsaka sady mavesatra ilay « chapiteau » sy ny kojakoja, novidiny tany Frantsa. Mifanaraka amin’izany koa ny vola ilaina amin’ny fitaterana azy, hatraty Madagasikara. Nisy ny hetsika niarahan’ny L’Aléa des possibles, tarika mpanao « cirque », noforonin’ny Chapitô Metisy sy ny fikambanana Hetsika any Frantsa, ho fanangonam-bola, hiatrehana ireo rehetra ireo.

Eny amin’ny sehatra Imaitsoanala, eny Ambohitrombihavana, no hametrahana ity « chapiteau » fanaovana « cirque » ity. Amin’ny maha trano hafakely sy goavana azy, mbola betsaka ny asa miandry amin’ny fametrahana azy ka mila ny fanohanan’ny malala-tanana hatrany.

Na izany aza, fantatra fa efa ao anatin’ny tetikasa sahady ny hanatontosan’ny ankizy sy ny tanora, ao anatin’ny kaompania L’Aléa des possibles, fampisehoana, ao anatin’ity « chapiteau » vaovao ity, amin’io volana septambra io. « Opéra cirque » no heverina fa seho voalohany hotanterahina ao.

Landy R.

 

Les commentaires sont fermées.