Flash
Préc Suiv

Brieville Tsaratanana: kaporaly iray maty, voahodidin’ny dahalo ireo miaramila

Brieville Tsaratanana: kaporaly iray maty, voahodidin’ny dahalo ireo miaramila

 

 Nitrangana fanafihan-dahalo ampolony maro nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika indray tany Bemololo Brieville, Tsaratanàna, ny talata alina teo. Lavon’ny dahalo nandritra ny fifandonana kosa ny miaramila (Das) kaporaly Fredo, miasa ao amin’ny tobi-miaramila RM 3 ao Toamasina. Araka ny loharanom-baovao, tonga nanafika tao an-tanàna ireo dahalo tamin’io fotoana io. Nahazo antso ny miaramila taorian’izay ka nanao fanarahan-dia ireo malaso kanjo nifanehatra tamin’izy ireo. Tratra ny tsy nampoizina ireo miaramila satria latsaka afovoany. Nisy dahalo teo aloha sy tao afaran’izy ireo. Niezaka nanao izay ho afany hatrany anefa ireo miaramila nanohitra ireo malaso, saingy be no ho vitsy manoloana ireo dahalo. Vokany, maty rotiky ny bala ilay miaramila kaporaly raha miaramila roa hafa kosa voan’ny bala teo amin’ny tongony. Nisy tamin’ireo dahalo koa no maty voatifitra nandritra ny fifandonana. Nalefa haingana any amin’ny hopitalin’Ambatondrazaka ireo miaramila naratra ireo. Efa tonga any Brieville kosa ny fatin’ilay miaramila. Fantatra fa dahalo efatra indray maty raha dimy hafa naratra, saingy nentin’ny namany nitsoaka. Fantatra tamin’ny lohanoram-baovao hatrany fa ahina ho efa miaramila nahavita fanompoam-pirenena ihany ireo dahalo ireto satria voafehin’izy ireo avokoa na teknika rehetra momba ny toerana sy ny fampiasana ny fitaovam-piadiana.

J.C

Les commentaires sont fermées.