Flash
Préc Suiv

Bianco sy ny fitantanana: anisan’ny be kolikoly indrindra ny eny anivon’ny kaominina

 

Mbola lavitra ezaka. “Betsaka ny kolikoly eny anivon’ny kaominina noho ny tsy fisian’ny mangarahara amin’ny fitantanana. Anisan’ny ahazoana fitarainana be indrindra tonga ety aminay ny kaominina”, hoy ny talem-paritry ny Bianco, ny Jly Ratovoson Benjamina, omaly tetsy Antaninarenina, omaly.  Noraisiny ho ohatra ny fampitomboana ny sora-bola amin’ny tetikasa nefa tsy mifanaraka amin’ny tena vidiny sy ny asa vita. Eo koa ny fanatanterahana ny asa ahitana kolikoly amin’ny tsenam-baro-panjakana sy ny fanatanterahana ny asa tsy mifanaraka amin’ny antontan-taratasy. Manampy ireo ny tsy fahavitan’ny asa…  “Nalaza ny kaominina Ambohimahamasina Ambalavao. Misy koa any amin’ny kaominina hafa… Mety ho volan’ny kaominina manokana ireny na koa  avy any amin’ny fitondrana. Na vola avy amin’ny fiaraha-miasa any ivelany”, hoy ihany izy.  Nambaran’ny eo anivon’ny Bianco fa miara-miasa amin’ny kaominina izy ireo. Eo ny fanatsarana ny fitantanana hiadiana amin’ny kolikokoly.  Miditra amin’ny taona faharoa izany izao ary iarahana amin’ny Alemà sy ny GIZ… “Efa misy tetikasa momba izany amin’ny kaominina 10, miady amin’ny kolikoly. Miaraka amin’ny  fanaraha-maso izany ho an’ireo efa nahavita ny tetikasa  teo aloha”, hoy ihany ny tompon’andraikitra.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.