Flash
Préc Suiv

Besarety: hamboarina ny tsena

 

Hovitaina ao anatin’ny 20 andro ny fanitarana sy ny fanatsarana ny tsenan’i Besarety ao amin’ny boriborintany fahatelo eto Antananarivo Renivohitra, tsena isaky ny talata. Io ny fampanantenana nataon’ny tompon’andraikitry ny kaominina, omaly teny amin’ny boriborintany fahatelo.

Araka ny nambaran’ireo mponina sy ny mpivarotra, efa misy ireo fanatsarana ny tsenan’i Besarety, toy ny fanamborana ny talantalan’ny mpivarotra, ny bassin, ny fananganana dabam-pako ary indrindra, ny fanamboarana ireo tatatra misarona, ny fanavaozana ny pavillon miisa 40. Teo koa ny fanamboarana lalana rarivato miditra ao an-tsena izay lalan’ny vahoaka mampifandray amin’ny fokontany telo, Besarety, Ampandrana Besarety, Ampandrana Atsinanana, mirefy 150 m, nampijaly ny mponina sy ny mpivarotra izany, indrindra rehefa fahavaratra.

Tafiditra ao anatin’ny fanamboarana ny tsena ihany koa ny fanavaozana ny tranompokonolona tokony hampidi-bola ho an’ny tsenan’i Besarety sy ny CUA.

Ankoatra izay, nanambara  ny ben’ny Tanàna Ravalomanana Lalao ny amin’ny handaminana ny “parking” ka tsy tokony hisy intsony ireo fiara maty mipetraka ao anaty tsena. Tsy maintsy manadio sy mitandro ny fahadiovana koa ny mpivarotra sy ny mponina.

Ireo mpivarotra mivoaka eny ivelany indray, tsy maintsy miditra ao anatin’ny tsena avokoa rehefa vita ny fanamboarana ary hisy fepetra hampiharin’ny kaominina amin’ireo tsy manara-dalàna.

Tatiana A

 

Les commentaires sont fermées.