Flash
Préc Suiv

Ambalavao – Tsienimparihy: roa lahy nahatrarana vola sandoka 1 380 000 Ar

Ambalavao – Tsienimparihy: roa lahy nahatrarana vola sandoka 1 380 000 Ar

 

 Voasambotry ny polisy tao Ambalavao Tsienimparihy, omaly ireo jiolahy roa mpanao vola sandoka. Araka ny fanazavan’ny polisy, ao anatin’ny hetsika fampandriana fahalemana sy fanakaikezana vahoaka hatrany ny polisim-pirenena ao Ambalavao. Tamin’ny alalan’ity hetsika manokana ity no nahatrarana ireto jiolahy ireto niaraka tamin’ny vola sandoka 20 000 Ar miisa 60 mahery, izay mitentina 1 380 000 Ar. Nosamborin’ny polisy avy hatrany izy ireo, nandritra ny fanadihadiana natao no nilazany fa tsy ry zalahy ireo no mpanamboatra ireto vola sandoka ireto fa mpitady mpividy sy mpanaparitaka izany fotsiny izy ireo. Hafa kosa ny tena atidoha mpanamboatra ireto vola ireto. Eo am-pikarohana ireo tena atidoha tompon’antoka amin’izao fanamboarana vola sandoka izao ny polisy ao Ambalavao. Manentana hatrany ny polisim-pirenena mba ho mailo satria efa miparitaka ao Ambalavao sy ny manodidina ny sasany amin’ireo vola sandoka ireo.

J.C

Les commentaires sont fermées.