Flash
Préc Suiv

UPAP: mivoatra ny paositra aty Afrika

UPAP: mivoatra ny paositra aty Afrika

 

 Nitatitra ny fivoriambe tsy ara-potoan’ny Fiombonamben’ny paositra aty Afrika (Upap) natao teny amin’ny CCI Ivato (26-27 jolay), omaly ny tale jeneraly (DG)-n’ny Paositra malagasy, niaraka tamin’ny filohan’ny filakevi-pitantanana sy ny ao amin’ny minisiteran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana (MPTDN). Nambaran’ny DG, Rakotomalala Augustin, fa anisan’ny tinapaka ny tolo-dalàna hanavaozana ny fitsipika mifehy ny fampandehanan-draharaha, satria efa ho 30 taona ny teo aloha ary haroso holaniana any amin’ny fivoriambe atao any Addis Abeba Etiopia, amin’ny volana septambra ho avy izao. Ilaina fiovana ny fampanarahana ny toetr’andro mba hifanaraka amin’ny fivoaran’ny teknolojian’ny informatika sy ny fifandraisan-davitra.

Ho an’i Madagasikara, nahafahana nanamafy na fikarohana ny fiaraha-miasa amin’ny firenena afrikanina sasany, iny fivoriambe nokarakaraintsika iny, toy ny miaraka amin’i Egypta, Tonizia, Ouganda, Ghana, Côte d’Ivoire, sns.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.