Flash
Préc Suiv

Tselatra

Saron’ny polisin’ny BC sy ny Sag teny Ankaditoho, ny herinandro teo ireo jiolahy efatra tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-pidiana tamin’iny faritra iny. Teo am-piomanana ny hanao fanafihana mitam-piadiana ry zalahy no nifanehitra tamin’ny polisy. Noraisim-potsiny tao an-trano fieren’izy ireo ry zalahy tamin’io fotoana io. Hita tao an-tranon’izy ireo nandritra ny fisavana ny basy vita gasy iray sy bala calibre 12 iray, pince coupante lehibe iray ary lefona, fitondran’izy ireo manao ny asa ratsiny. Niaiky ny helony izy ireo nandritra ny famotorana teny amin’ny polisin’ny BC Anosy ary nilaza fa efa mpanao fanafihana mitam-piadiana eny amin’ny faritra Tanjombato, Andoharanofotsy hatrany Fenoarivo sy ny manodidina. Any Farafangana ry zalahy no mividy basy sy bala.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique