Flash
Préc Suiv

Saika raikitra indray ny sakoroka: votsotra ilay dahalo, tezitra ny vahoaka

Saika raikitra indray ny sakoroka: votsotra ilay dahalo, tezitra ny vahoaka

 

Vao ny asabotsy teo, voasambotry ny fokonolona ity lehilahy iray, voalaza ho dahalo raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana sy fandrobana, tany Sambava. Ny ampitson’io ihany anefa, votsotra ny anao lahy. Tezitra ny fokonolona ka nirohotra nilanja sora-baventy teny amin’ny biraon’ny zandary.

Nanao andiany maro mihitsy ny fokonolona avy any Soavinandriana, nirohotra teny amin’ny tobin’ny zandary ao Sambava, noho ny hatezeran’izy ireo tamin’ny namotsorana ny lehilahy iray voalaza fa dahalo raindahiny. Ity farany izay tratra nanafika sy nandroba lavanila milanja 25 kilao sy volam-piangonana mitentina 2 tapitrisa Ar. Tratran’ny fokonolona izy io ary natolotra ny zandary. Ny ampitson’io anefa, ny alahady, henon’ny olona fa navotsotra ilay lehilahy io ka nitarika ny hatezeran’izy ireo.

Nifampitarika ny vahoaka ary izao nirohotra teny amin’ny zandary izao, naneho ny hatezerany sady nilanja sora-baventy. Saika niafara tamin’ny korontana mihitsy ny raharaha. Ny toe-javatra tahaka itony rahateo, mahatonga ny olona hanafika tobin’ny mpitandro filaminana, izay efa niseho matetika sy ny hanao fitsaram-bahoaka.

Niditra an-tsehatra ny manampahefana nandamina ny raharaha. “Tsy maintsy voasazy izay zandary namotsotra io dahalo io”, hoy ny kaomandin’ny kaompania Sambava, Raharimandina Maguy. Nandamina ny olona ho tony sy hifampatoky izy ka nilaza ny hifanome tanana hatrany hamongorana ny olon-dratsy satria mbola miriaria miaraka amin’ny basy any ireo naman’ity dahalo ity.

Miandry fandraisana fepetra

Nilamina ihany ny olona rehefa nahazo toky ka miandry izay fepetra raisina amin’ny zandary tompon’antoka tamin’ny namotsorana azy io. Eo ihany koa ny fisamborana indray ireo olon-dratsy satria mitondra faisana mihitsy ny mponina any Sambava sy ny manodidina amin’ireo mpangalatra lavanila.

Rehefa tsy mandray andraikitra ny mpitandro filaminana, handray andraikitra ny olona ary miafara amin’ny fitsaram-bahoaka ny raharaha. Tsy mahagaga raha tsy voafehy ity resaka fitsaram-bahoaka ity ka miverimberina ny tranga toy izao. Tsy mipetraka intsony ny fahatokisan’ny vahoaka ny mpitandro filaminana, hatrany amin’ny fitsarana. Ny mpitondra, milokaloka amin’ny hiadivana amin’ny fitsaram-bahoaka, ny asan-dahalo, sns, kanefa izao ny afitsoky ny mpitandro filaminana sasany.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.