Flash
Préc Suiv

Pasitera Mailhol: “Hiady amin’ny  fahantrana  isika”

Pasitera Mailhol: “Hiady amin’ny  fahantrana  isika”

 

 Kandidà fahatelo nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiny eny amin’ny HCC,  Ambohidahy, omaly, ny pasitera Mailhol. Nohamafisiny ny fanambarana efa nataony amin’ny vinany amin’izao hiatrehana ny fifidianana izao. “Tsy manana fahavalo afa-tsy ny fahantrana  sy ny kolikoly izahay. Hiady amin’izany ny antony hirotsahana. Eo koa ny ady atao amin’ny tsy fandriampahalemana. Ny fametrahana ny tany tan-dalàna…”, hoy izy. Nanteriny fa hapetraka koa ny fanjakana tan-dalàna ka tsy misy tokony ho ambonin’ny lalàna izany intsony. Anisan’ny fandaharanasany koa ny hamerenana ireo Nosy manodidina amintsika fa afaka hanala ny fahantrana ny harena tsy hita noanoa amin’ireo tanintsika ireo.

Momba ny firotsahany amin’ny resaka politika indray, nohitsiny fa pasitera ny tenany. “Tsy manao politika izahay nefa koa tsy misy lalàna mandrara ny filatsahan-kofidinay”, hoy ihany  izy.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.