Flash
Préc Suiv

Atletisma – “JO Jeunesse 2018”: mety ho any Arzantina i Vavara

 

Araka ny vaovao voaray, mety hanana solontena any amin’ny “Lalao olympika ho an’ny tanora” (JOJ 2018), hotanterahina any Buenos-Aires, Arzantina, ny 6 ka hatramin’ny 18 oktobra ho avy izao, ny Malagasy. Ny taranja atletisma no mety hiatrika izany. Araka ny fantatra mantsy, tafiditra ho anisan’ireo hiatrika izany i Vavara Aina Cléot, atletan’ny Groupe Siteny Toliara. Ny laharana fahadimy ny nisy azy nandritra ny famaranana, 400 m, tany amin’ny “Lalao afrikanina ho an’ny tanora” (JAJ 2018), notanterahina tany Alzeria, ny 18 ka hatramin’ny 28 jolay lasa teo, ny nahazoany ny tapakila hiatrehana io “Lalao olympika ho an’ny tanora” io. Raha ny voalaza, tany amin’io fihaonana io mantsy, tafita ho any Arzantina ireo atleta dimy tonga voalohany. Na izany aza, mbola hanao fanamafisana any amin’ny federasiona iraisam-pirenena ny federasiona malagasin’ny atletisma (FMA), mahakasika io tranga io.

Marihina fa efa nandrombaka ny medaly volafotsy, tany amin’ny “Lalao CJSOI”, natao tany Djibouti, ny 20 ka hatramin’ny 28 avrily lasa teo, i Vavara Cléot.

Sambany izany eo amin’ny tantaran’ny atletisma sokajy zandriny no mba hisy Malagasy hiatrika “Lalao olympika”, raha toa ka tafita amin’izany tokoa i Vavara Cléot.

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.