Flash
Préc Suiv

Tselatra

Mitentina 100 tapitrisa Ar: ny tentimbidin’ny entana kilan’ny afo nandritra ny firehetan’ny trano tao Mandaniresaka, kaominina ambanivohitra Nosifeno, distrikan’i Midongy Atsimo, ny faran’ny herinandro teo. Trano miisa 14 indray kila hotohoton’ny afo. Niainga avy ao amin’ny tokantrano iray ny afo ka nitarika ny fahamaizan’ireo trano teo amin’ny manodidina. Vokany, trano 14 indray lasa lavenona raha olona 73 kosa tsy manan-kialofana. Tsy nisy ny aina nafoy. Tonga nanao fanadihadiana teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Midongy Atsimo.

Les commentaires sont fermées.