Flash
Préc Suiv

Rugby – «Amboaran’ny filoha»: nafindra eny Andohatapenaka

Rugby – «Amboaran’ny filoha»: nafindra eny Andohatapenaka

 

 “Tsy nahazo ny kianjaben’i Mahamasina ny Malagasy Rugby, hanatanterahana ny fiadiana ny “Amboaran’ny filoha” na efa nanao fangatahana tapa-bolana mialoha aza. Noho izany, voatery hafindra eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny alahady 12 aogositra ho avy izao, ireo lalao manasa-dalana”, hoy ny mpitantana eo anivon’ny Malagasy Rugby.

Raha tsiahivina, hifandona eo amin’izany dingana izany ny FTBA Andohatapenaka sy ny STM (Savony) ary ny FTM Manjakaray sy ny Cosfa. Nomarihin’ny filohan’ny Malagasy Rugby fa tokony hanaja ity fifaninanana ity ny rehetra satria tsy vao izao akory ny nisiany fa efa ho 58 taona ary samy nanatanteraka izany avokoa ireo fitondrana nifandimby rehetra teto Madagasikara, hatramin’ny nahazoana ny Fahaleovantena no ho mankaty.“Tsy misy idiran’ny resaka politika mihitsy, araka izany, ity fiadiana ny “Amboaran’ny filoha” ity fa toy ny fifaninanana rehetra misy any ivelany, raha tsy hilaza afa-tsy ny fiadiana ny “Amboaran’ny mpanjaka” any Espaina sy ny hafa”, araka ny fanamarihan-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby.

Mialoha ireo fihaonana ireo no hanatanterahana ny lalao fiadian-toerana ka hikatrohan’ny TMAA Ankorondrano sy ny SCB Besarety ary ny TFA Anatihazo sy ny US Ikopa. Marihina fa hifanindran-dalana amin’ity fiadiana ny “Amboaran’ny filoha” ity ny fiadiana ny “Amboaran’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra”. Fihaonana, hatao etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.