Flash
Préc Suiv

Fanakanan-dalana – RN 1 Bis: 4X4 tratran’ny tifitra variraraka, iray no maty, efatra hafa naratra

Fanakanan-dalana – RN 1 Bis: 4X4 tratran’ny tifitra variraraka, iray no maty, efatra hafa naratra

 

Norarafan’ny jiolahy mpanakan-dalana tamin’ny tifitra variraraka, teny amin’ny lalam-pirenena RN 1 Bis, mampitohy an’i Tsiroanomandidy amin’i Maintirano, omaly maraina, ny fiarakodia 4X4 iray. Ankoatra ireo olona efatra naratra, iray namoy ny ainy, maty voatifitra.

Nisehoana fanafihana fiara indray tany amin’ny lalam-pirenena voalohany Bis (RN1 Bis), teo anelanelan’i Maintirano sy i Tsiroanomandidy, omaly vao maraina tokony ho tamin’ny 8 ora. Niharan’ny tifitra variraraka ny fiara 4×4 an’ny Gefores Securité teo amin’ny tetezan’i Mokaraha, amin’ny faritra iray antsoina hoe Andolosilamo.

Maty vokatr’izany ny lehilahy iray, ary efatra hafa naratra mafy, izay voalaza fa nisy zandary roa. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola sy entana maro, ary lasa nandositra izy ireo avy eo. Tavela teo kosa ny voatafika ary niantso vonjy taorian’izay. Tonga tany an-toerana ny zandary nanao ny fizahana ity tranga ity. Nentina tany amin’ny hopitaly Morafenobe ny niharam-boina rehetra. Natao ny fanarahan-dia, tsy mbola nisy tratra ireo jiolahy na iray aza.

Ity lalam-pirenena RN 1 Bis ity izay itrangana fanafihana fiara matetika. Lasibatra ireo kamiao mpitatitra olona sy entana, ary misy hatrany ny tifitra ataon’ny jiolahy amin’izany. Faritra anjakan’ny dahalo ihany koa ny eo anelanelan’i Tsiroanomandidy sy i Maintirano. Voalaza fa lalan’ny dahalo mitondra omby halatra ny any an-toerana, mialoha ny hahatongavana any amin’ny faritr’i Menabe.

Tsy voafehy…

Amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, tsy voafehy mihitsy ny resaka fandriampahalemana. Mirongatra ny asan-jiolahy amin’ny faritra maro, ary porofon’izany ity tranga ity. Nisesisesy teo aloha teo ny fanafihana fiara mitondra olona manokana, na mpizahatany. Nisy ny mpamily maty, ny mpandeha maty, sns. Nisy ny hetsika fanehoana tsy fankasitrahana izany nataon’ny fikambanan’ny mpitatitra sy mpampanofa fiara momba ny tsy fandriampahalemana, saingy tsy nahitam-bokany loatra izany. Mahafaty, ary mahafaty antoka ny olona mivelona amin’ity asa fitaterana sy fampanofana fiara ity ny fanafihana toy izao. Aiza ny andraikitra nampanantenain’ny fitondrana?

Yves S.

Les commentaires sont fermées.