Flash
Préc Suiv

Fanovana ho amin’ny tena fampandrosoana…    

Fanovana ho amin’ny tena fampandrosoana…    

Miverimberina ny hoe krizy politika. Hatramin’izao, tsy mahafa-bela… Ny vao mainka loza, miharatsy andro aman’alina ny fiainam-bahoaka sy ny fiainam-pirenena. Mila porofo? Samy miaiky ny rehetra fa ratsy lavitra no ho ny Repoblika I, ohatra, ny Repobika II, vao mainka loza no ho ny Repoblika II ny Repoblika III, ary tsy hita holazaina intsony izao Repoblika IV izao, mitaha amin’ny Repoblika III.

Ho toy izany hatrany? Tsy hita mazava na misitraka inona amin’izay hoe fandrosoana ny vahoaka, na fihatsaran’ny fiainana ahay; eny, na toy inona fanamarinana sy fandokafan-tena ho tsy misy mahavita ny vitan’ny tena izay ela izay. Ny amin’ny tsy fandriampahalemana sy fakana an-keriny tsy voafehy? Ny fidangan’ny vidim-piainana, ny fandrobana tany, ny harem-pirenena gaboraraka anjakan’ny vahiny…

Manampy trotraka izany ny tsy fanarahan-dalàna saika amin’izay mihetsika sy ihetsehana rehetra, ny kolikoly isan-tsehatra sy isan’ambaratonga, ny kiantranoantrano, ny fisian’ny tsimatimanota, ny tsy fangaraharana amin’izay atao, ny fivarotan-tanindrazana, ny raharaham-pirenena ananan-kavana… Nahoana loatra? Tsy misy izay tena fanovana, fa endri-javatra ivelany no betsaka: olona, lalàna fototra…

Fanovana tsy mitondra ho amin’ny tena fampandrosoana, fanatsarana ny fiainam-bahoaka, fitandroana ny fiandrianam-pirenena, fisitrahana ny haren’ny tanin’ny tena… Tsy mbola fitantanana fanjakana sy firenena no atao fa fitantanana fahefam-panjakana fotsiny ihany? Na fifehezana ny vahoaka tsy hikofoka hanaiky fahatany amin’izay lazaina sy atao, miandry sy manantena hatrany isaky ny fotoam-pifidianana…

Amin’izany, tsy efa mba miova ve ny vahoaka? Na izay ny anisan’ny mahafohy ny fe-potoana fitsingerenan’ny krizy… Tsy izay hetahetam-bahoaka tsinona no imasoana sy anaovan’ny mpitondra tamberin’andraikitra fa ny mpiara-miombon’antoka sy ny mpampindram-bola manome ny enti-manana amin’izay iasana. Hanao ahoana? Na ilaina ny fanovana ifotony alohan’ny fanorenana ifotony?

R.Nd.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique