Flash
Préc Suiv

Mbola eto Madagasikara: roa andro ny lalana 71 km Moramanga – Anosibe an’Ala

Mbola eto Madagasikara: roa andro ny lalana 71 km Moramanga – Anosibe an’Ala

 

 Isan’ireo toerana tena hadinon’ny fitondram-panjakana nifandimby tanteraka izany distrikan’Anosibe an’Ala izany ! Lalana tsy misy afa-tsy 71 km eo atsimon’i Moramanga, amin’ny lalam-pirenena RN 23. Ny kamio sisa afaka mankany ankehitriny ary roa andro  an-dàlana satria “eo amin’izany PK 32 sy 42 izany, tafiditra ao anaty toerana misy ny mpamily ny fotaka sy rano maloto”, hoy Randriamahefa Fanomezantsoa, mpiasan’ny faritra Alaotra-Mangoro.

Very na latsa-bidy  tanteraka ny kafe, ny mangahazo, ny mananasy, ny akondro … “Jerem-potsiny ireo kininina mena lehibe 12 m eny andrefan’i Longozabe”, hoy Rabe Alphonse, ben’io Tanàna io. Mbola alam-barongy, voambaona, sns no mandrakotra ny ilany andrefan’ity disitrika ity, izay misy ny kaominina Ampasimaneva, Tsaravinany, Antandrokomby ary Ambalanomby.

Vitsy amin’ireo no afaky ny moto. Toraka izany koa ireo fokontany 96 misy mponina 80 000.

Tsara ho fantatra anefa fa efa vitan’ny vazaha hatrany Marolambo iny RN 23 A  iny tamin’ny andron’ny fanjanahantany.

Rarivo

Les commentaires sont fermées.