Flash
Préc Suiv

Tsaramasoandro – Ankazobe (RN 4): taksiborosy roa voatafika, olona 21 naratra mafy

Tsaramasoandro – Ankazobe (RN 4): taksiborosy roa voatafika, olona 21 naratra mafy

 

 Mpandeha miisa 21, indray naratra mafy voadaroka nandritra ny fanafihan-jiolahy teny amin’ny RN 4 mihazo an’i Mahajanga, omaly maraina. Lasan’ireo jiolahy ny vola sy ny entan’ireo mpandeha…

Niharan’ny fanafihan-jiolahy miisa 12 nirongo basy mahery vaika sy zava-maranitra tao Tsaramandroso, anelanelan’i Mahatsinjo sy Manerinerina, PK 160 ao anatin’ny distrikan’Ankazobe RN 4, ny taksiborosy roa avy any Port Berger hiakatra aty an-drenivohitra, omaly vao maraimbe. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, taksiborosy roa avy any Port Berger ireto niharan’ny fanakanan-dalana nataon’ny jiolahy ireto. Voalaza fa niara-dalana hatrany ireto fiara taksiborosy ireto, kanjo tratran’ny sakana vatan-kazo be teo amin’io toerana voalaza etsy ambony io. Tsy afa-nanohy ny dia intsony ireo fiara satria voasakan’ilay hazobe ny arabe. Nipoitra tsy lavitra teo amin’ny manodidina ny sakana ireo jiolahy sady nitifitra no nidaroka ireo mpandeha tao anaty fiara. Nambanan-dry zalahy ny basy ireo mpandeha ka notereny hamoaka ny vola rehetra. Lasan’ireo jiolahy hatramin’ny volan’ny mpamily koa aza, raha ny fanazavana voaray  hatrany. Vokany, mpandeha miisa 21(fitambaran’ireo mpandeha tao anatin’ilay taksiborosy roa voatafika) indray naratra mafy vokatry ny daroka nataon’ireo olon-dratsy. Olona iray tena naratra mafy noho ny daroka nataon’ireo jiolahy ireo. Lasan’ireo jiolahy kosa ny vola mitentina 10 tapitrisa Ar mahery miampy ny entana azon’izy ireo nalaina ary telefaonina finday. Nitsoaka avy hatrany ry zalahy rehefa nahazo ny vola sy entana izay azon’izy ireo nobataina. Tonga haingana teo amin’ny toerana nitrangan’ny fanafihana ny zandary, fotoana fohy taorian’ny fanafihana. Nalefa notsaboina ao amin’ny hopitalin’Ankazobe ireo naratra raha nalefa niakatra aty an-dRenivohitra kosa ny sasany.

Hisy fiantraikany amin’ny fizahantany…

Nahabe resaka ireo mpampiasa iny lalana RN 4 mihazo an’i Mahajanga iny ny fisian’ny dongona fampihenana ny hafainganam-pandeha ka mitarika tsy fandriampahalemana. Vao afakomaly no nidina teny amin’ny RN 4 ny tompon’andraikitra  eo anivon’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) nanala ireo dongona mampitaraina ny mpampiasa iny lalana RN 4 iny, kanjo vao niala izany, niverina indray ny fanakanan-dalana nataon’ny malaso. Fotoam-pialantsasatra rahateo izao, maro ireo olona mivezivezy amin’iny lalana iny. Antony iray mampirongatra ny fanafihana taksiborosy izany. Raha tsy misy ny fandraisana andraikitra matotra avy amin’ny fanjakana, mety hisy fiantraikany amin’ny fizahantany izany satria hihena ny olona handeha hiala sasany, indrindra raha ho any Mahajanga. Tratran’ny fanakanan-dalana nataon’ny dahalo toy izao koa ny nampivadika ilay kamiaobe tao amin’ny tetezana misy helodrano, 5 km mialoha ny hidirana an’i Ranohira, ny talata alina teo. Olona telo indray namoy ny ainy tamin’ity loza ity satria ny lohan’ilay kamiaobe no nifatratra tao ambany tetezana.

J.C

Les commentaires sont fermées.